T.A.FI.K.A : NAHAFINARITRA NY ZOMA VOALOHANY

« Mifalia ry zatovo dieny mbola tanora ianao, ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao ;… nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’Andriamanitra hotsaraina ianao amin’izany rehetra izany » Mpitoriteny 11,9 Tontosa ny zoma 24 febroary 2023 lasa teo ilay hetsika voalohany nokarakarain’ny sampana T.A.FI.K.A ka nampitondrana ny anarana hoe « ZOMA MAHAFINARITRA ». Natomboka tamin’ny fampianarana fohy […]