FJKM AMPANDRIANKILANDY : LOKO SISA

Mahafaly ny Komity Teknika Taotrano (KTT) izay voatendry hanara-maso ny asa eny Ampandriakilandy ny mampahafantatra antsika fa taorian’ny procès verbal de réception des travaux notanterahina tamin’ny 29 martsa lasa teo dia hita fa vita soamantsara ny gros oeuvre, izay niainga tany amin’ny fototra, niampita tamin’ny rindrina, ny tafo ary ny varavarana sy varavarankely rehetra, ny […]
FJKM AMPANDRIANKILANDY FIADANANA : voatafo sy voalalotra

« Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho » Salamo 51, 8a Efa tsinjo sahady ny fahatongavana raha fifaninanana hazakazaka no natao satria dia vita tanteraka ny fanafona ny trano fiangonana sy ny fandalorana izany.
10 jona 2023 sy 11 jona 2023 : hotokanana ny fiangonana FJKM AMPANDRIAKILANDY FIADANANA

Mandroso tokoa ny asa fananganana ny fiangonana FJKM AMPANDRIAKILANDY FIADANANA ary efa manakaiky ny famaranana ny asa. Namaritra tetiandro ny fiangonana roa tonta, dia ny FJKM Katedraly Analakely sy ny FJKM Ampandriakilandy Fiadanana fa hotokanana ny fiangonana ny 10 sy 11 jona 2023.
FJKM AMPANDRIAKILANDY FIADANANA : Haingana tokoa ny asa

« Manangàna famantaran-dàlana ho anao ianao, manorena tsangambato » Jeremia 31, 21a Ny trano fiangonana FJKM AMPANDRIAKILANDY FIADANANA no tsangambato faharoa nankalazana ny faha-160 taona ny FJKM Katedraly Analakely. Enim-bolana taorian’ny nandatsahana ny vato fototra, ny faha-19 jona 2022 lasa teo dia mitsangana ny fiangonana ankehitriny, voatafo ny 80% ary efa nampiasaina izany nankalazana ny Kirsmasy 2022.
AMPANDRAIKILANDY : Sôma Krismasy 2022

II Tantara 30, 26a « Koa nisy fifaliana be tany Jerosalema » « Fifaliana » io ny teny tokana azo hilazana ny fankalazana ny Krismary 2022 tany Ampandraikilandy. Noho ny fitantanan’Andriamanitra ny fiangonany dia voatafo soamantsara ny ilany lehibe ny trano fiangonana. Afaka nankalaza ny Krismasy tao anatiny ny Kristiana tany an-toerana, eny na dia tsy mbola vita tanteraka […]
