SAMPATI XVè : mankalazana ny faha-75 taona

II Timoty 3:17b, « … ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra » Misaotra an’Andriamanitra lehibe fa tontosa antsakany sy andavany ny fotoan-dehiben’ny SAMPATI XVème izay notanterahina ny Alahady 16 Martsa 2025. Misaotra ny raiamandreny Mpitandrina sy ny biraom-piangonana , ny Mpitandrina miza-draharaha , ny raiamandreny Mpitandrina Ravalomanana mivady , ny Filoham-boninahitra Atoa Rajaonera Freddy mivady , […]
SAMPATI : notokanana ny tsangambato faha-70 taona

IANAREO NO FAHAZAVAN’IZAO TONTOLO IZAO Izany teny filamatry ny SAMPATI izany no nentina niarahabana ny mpianakavin’ny finonana ny Alahady 17 novambra 2024 lasa teo. Notokanana nadritra io andro io koa ny efitranon’ny SAMPATI, izay tsangambato ny faha-70 taona.
FAHA-70 TAONAN’NY SAMPATI FIVONDRONANA TARATRA FAHA-XV KATEDRALY ANALAKELY

Ny 15 Oktobra 1950 no notokanana ny Fivondronana Taratra faha XV. Isaorana ny Tompo raha afaka mankalaza ny Anarany isika amin’izao faha-70 taona niorenan’ny Sampana Mpanazava sy Tily Fivondronana Taratra XV eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely izao. “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao” ; izany tenin’ny Soratra Masina izany, izay hita ao amin’ny Matio 5:14 no […]
