Passer au contenu principal

FJKM KATEDRALY ANALAKELY

« Miorena tsara , aza miova » (1 Kor 15 : 58)

Havaozina ny Trano vadim-piangonana

« Ho mandrakizay anie ny voninahitr’i Jehovah ; aoka Jehovah hifaly amin’ny asany » Salamo 104, 31 Asa goavana indray no hatrehin’ny FJKM Katedraly Analakely amin’ity taona 2025 ity. Havaozina tanteraka ny trano vadim-piangonana, folo volana no farahetan’ny asa, ny 19 desambra 2025 no tokony hiverina hipetraka ao ny Mpitandrina sy ny ankohonany raha ny tetiandron’ny KTT.

Tafatsangana ny Biraon’ny Taranaka sy Zanaka am-pielezana

Tontosa ny alahady voalohany tamin’ny volana aogositra 2023 ny fitrotroana am-bavaka ny taranaka sy ny zanaka am-pielezana teto anivon’ny fitandremana Katedraly Analakely. Novelabelarin’ny filohan’ny fikambanana ny vinavinan’asa mandritra ny taom-piasana manaraka. Mba tsy ho tompon-trano mihono isika dia taterina amintsika etoana ny andinindininy.

TSIAHY MIKASIKA NY FANORENANA NY FIANGONANA HO LASA KATEDRALY ANALAKELY (Taona 1954-1973)

FAMPIDIRANA :Marihina eto ampiandohana fa talohan’ny taona 1954, ny fefin’ny Fiangonana dia niorina nanaraka ny sisin’ arabe izay nahitana vavahady vy anankiroa miloko mainty: ny lalan-kely (allée) roa fidirana dia voarakotra vato fisaka (ny andaniny telo kosa dia voavoly ahitra milenodenoka, ahitana voninkazo raozy sy hazo coco ary apanga vaventy) samy mipaka eo amin’ny totohabato […]

21 jona 1835 – 21 jona 2020, feno 185 taona ny Baibolintsika

Nitsingerina ny Alahady 21 jona 2020 lasa teo ny faha 185 taona nahavitana printy voalohany ny Baiboly Malagasy. Niaraka nanamarika izany ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina Malagasy (FFKM), Fiombonanan’ny Fiangonana Evanjelika ary ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (FMBM) ka tamin’ny alalan’ny fiaraha-mivavaka izay namohizana ny lohahevitra hoe « Tenin’Andriamanitra, Sakafo Mahavelona ». Tantaran’ny Baiboly protestanta malagasyNy […]

Ny Rafitra sy ny Fitsipika ary Fomba Fitondrana eo anivon’ny Fiangonana FJKM

Maromaro amintsika mpino FJKM no tsy mahalala ny rafitra sy ny fitsipika ary fomba fitondrana eo anivon’ny fiangonana FJKM amin’ilay Presbyteriana Synodaly PRESBYTERIANA SYNODALY (Fintinina tsotsotra)Fampahafantarana kely: Endri-pandaminana Presbyteriana Synodaly no tapaky ny Synoda Lehibe Voalohany nanorenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (F.J.K.M.) tany Toamasina tamin’ny Aogositra 1968 ary dia mbola voarakitra ao amin’ny […]

Ny Protestantisma

FampahatsiahivanaNy FJKM dia Fiangonana « Réformé », protestanta, teraka avy amin’ny fanitsiam-pivavahana (Réforme) niseho tany Eoropa 500 taona lasa izay.I Martin Luther no nanomboka izany fanitsiana izany rehefa nahita fa maro ireo fampianaran’ny fiangonana katôlika no tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina. Fa i Jean Calvin kosa no loharano nipoiran’ny Fiangonana « Réformé ». Ireto avy […]