MIJORO NY VAOMIERA ARSIVA

« Ny horonan-taratasy, ny vakoka volamena…efa napetrany teo amin’ny efi-trano » Jer 36, 20a – I Mpanj 6, 21bAo anatin’ny tetiandron’ny FJKM Foibe, ny alahady fahatelon’ny volana febroary dia Alahadin’ny Arsiva sy Tranombakoka. Koa nosafidian’izy ireo ny FJKM Katedraly Analakely hankalazana izany, ny Alahady 16 febroary 2025 lasa teo. Notokanana ihany koa nandritra io Alahady io ny […]
FJKM AMPANDRIANKILANDY FIADANANA, notokanana ara-pombam-piangonana

Araka ny tetiandro naroson’ny Komity Tsangambato Ampandriankilandy avy eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely dia tontosa ny Alahady 11 jona 2023 ny fitokanana ny trano fiangonana FJKM AMPANDRIANKILANDY FIADANANA, izay tsangambato faharoa ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Katedraly Analakely.
FARITRA, fomba fiasa manakaiky ny mpiangona

Andry iray lehibe ijoroan’ny fiangonana ny fiombonan’ny mpino ao aminy ary ny fifanatonany akaiky. Ny famantarana ny zava-misy eny ifotony koa dia tena manamora ny asa. Ireo no tanjona kinendry amin’ny fitsinjaram-paritra, fomba fiasa vaovao apetraka tsy ho ela eto amin’ny FJKM Analakely. Araho etoana ny fanazavana mahakasika izany.
FJKM AMPANDRIANKILANDY : LOKO SISA

Mahafaly ny Komity Teknika Taotrano (KTT) izay voatendry hanara-maso ny asa eny Ampandriakilandy ny mampahafantatra antsika fa taorian’ny procès verbal de réception des travaux notanterahina tamin’ny 29 martsa lasa teo dia hita fa vita soamantsara ny gros oeuvre, izay niainga tany amin’ny fototra, niampita tamin’ny rindrina, ny tafo ary ny varavarana sy varavarankely rehetra, ny […]
FJKM AMPANDRIANKILANDY FIADANANA : voatafo sy voalalotra

« Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho » Salamo 51, 8a Efa tsinjo sahady ny fahatongavana raha fifaninanana hazakazaka no natao satria dia vita tanteraka ny fanafona ny trano fiangonana sy ny fandalorana izany.
Nifarana ny fankalazana ny faha-160 taona, mifalia fa velona ny Finoana

Nifarana ny fankalazana, nanakoako ny lakolosy, na ny teto Analakely, na ny tany Ampandriankilandy Dera sy laza no hasandratra ho Azy Andriamanitra tompon’ny fiangonana fa tojo amin’ny famaranana ny fotom-pankalazana Azy ny fiangonana, noho ny nahatratrarana ny faha-160 taona nijoroany. Notontosaina izany ny Alahady 04 desambra 2022 nandritra ny fidirana anankiroa. Tonga manokana nitarika io […]
FJKM AMPANDRIAKILANDY FIADANANA : Ho vita ny vatan’ny fiangonana

Ny 19 jona 2022 no nametrahana ny vato fototry ny fiangonana, telo volana aty aoriana efa tonga amin’ny haavony ny rindrina efatry ny fiangonana. Miakatra tsikelikely ny tilikambo ka hovitaina ny 10 metatra, izay avo indrindra amin’ny tilikambo.
ANJARA BIRIKY FJKM AMPANDRIANKILANDY

https://drive.google.com/file/d/1CGpsTtTAB59uWj9AgUgyMbsp4lSB5_Hk/view?usp=sharing Io rohy io no hahafahanao mandalina bebe kokoa mikasika ny asa fananganana ny fiangonana FJKM Ampandriankilandy Fiadanana. Voazava ao amin’ny antsipiriany ny mikasika an’Ampandriankilandy, ny tantaran niforonan’ny fiangonana, ny mahakasika ny tao tranon’ny fiangonana. Mahefà be amin’ny asa fa tsy foana ny fikelezantsika aina.
POSTE D’EVANGELISATION AMPANDRIANKILANDY

NY FIORENANY sy FITOMBOANY Fitandremana nitambatra tamin’ny Fiangonana 70 mahery tany aloha nentina Mpitandrina delege 01 Nankatoavina ho Poste d’Evangélisation (P.Ev. na saha vaovao) tamin’ny 2014, isany zandriny indrindra Nahazo Mpitandrina voalohany tena azy manokana ary mitondra azy hatramin’izao Ny Commune Ampandriankilandy manontolo no sahan’ny Poste izay zarain’ny renirano Tsinjomorona Fiangonana 05 tamin’ny nanombohana (2015) […]
