FANTARO NY ZAVA-MAHADOMELINA SY NY FIASANA

Nandritra ny zoma mahafinaritra izay notanterahin’ny sampana TAFIKA no nandraisan’ny Mpitandrina RAVELOSOA Andriamamonjy Nomenjanahary Mickael sy ny Dokotera RAKOTOARIVONY Manitra anjara, ho fanazavana sy fampianarana ny zava-mahadomelina izay efa miparitaka eo anivon’ny tanora amin’izao fotoana izao.