Matio 18, 33-35 – Alahady 20 septambra 2020
Manana ny fomba fanahafana omeny Andriamanitra, koa raha te-ho afaka ianao araka ny sitrapon’Andriamanitra dia :
1-Hafao aloha ny rahalahinao.
Ny fiarahamonina nahorin’Andriamanitra dia miorina ambonin’ny fifamelana sy fanomezana ny fanafahana. Izy Andriamanitra mantsy dia namela ny helontsika tanteraka.
**Ny Lioka 6, 36-37-38 dia milaza ny endrim-piarahamonina tian’Andriamitra :
**Kristiana tena izy (etika kristiana)
**Tsy mitsara satria ny fitsarana dia miafara amin’ny fanamelohana
**Tsy fatra-pangataka raha tsy manome ny hafa
Raha te ho afaka ianao dia velona ho an’ny hafa. Mamelà heloka amin’ny fahafenoina.
2 – Matahora an’Andriamanitra
Ny atao hoe matahotra dia fankatoavana.