Toriteny Alahady 07 febroary 2021 – Lioka 5 : 1-11
Ny lohahevitra banjinintsika amin’ity volana ity dia ny hoe « Mampiorina ny mino ny Tenin’Andriamanitra. » Miisa dimy ny toetran’ny Kristiana miorina araka ny fomba fijerin’i Jesoa.
1. OLON’NY ASA
Nisy toriteny nataon’i Jesoa tamin’ny olona aman’arivony (5000) teny an-tendrombohitra.
Be ny olona teny an-tendrombohitra samy te hisisika ho eny aloha ka voatosika i Jesoa dia lasa nihemotra teny amoron-drano, farihin’i Genesareta.
Tsy nisy asa vitan’ireo olona mpanaraka mifanizina ireo
Aleon’i Jesoa nisafidy ireo olona mpanarato hitany niasa teo amoron-drano
Ny tadiavin’i Jesoa dia olon’ny asa satria mora ampiorenina ny olon’ny asa
« … minoa Ahy noho ny asa ihany aza. » (Jao 14 : 11) : ny asa mitarika ho amin’ny Finoana ho an’ny olona mpijery fotsiny
« … Izay mino ahy ny asa ataoko no hataony koa ; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, … » (Jao 14 : 12) : mitady olon’ny asa Jesoa
Raha te ho olona miorina ianao, meteza ho olon’ny asa
2. OLON’NY FAHAIZA-MANOME
« Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesoa. » Lio 5:11
Nomen’i Petera ho ataon’I Jesoa polipitra ny sambokeliny
Lasa fananam-piangonana ny fananany
Ny olona tena miorina, dia olona mahay manome
ANTSO : meteza hanome !
3. OLON’NY FANKATOAVANA
Notsapain’I Jesoa Simona Petera mpanarato
« Fa Simona namaly ka nanao hoe : Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato. » Lio 5:5
Noho ny tenin’I Jesoa dia narotsak’i Simona ny haratony na dia efa kivy aza izy tsy nahazo na inona na inona ny alina manontolo
Raha tena te hiorina ianao dia meteza hankatoa izay toriteny henonao
4. OLON’NY FIARAHA-MIASA
Ny olona tena miorina dia olon’ny fiaraha-miasa, izay no mahatonga ilay anarana hoe FIANGONANA
« Ary izy NANATSIKA (= niantso = il a fait un signe) ny namany, izay teo amin’ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika. » Lio 5 : 7
Tsy olona nahavita tena irery i Simona fa nipi-maso ny namany hanampy azy
Ny olon’ny fiaraha-miasa tsy mahavita irery ny asan’Andriamanitra
Izay no mahatonga ny FJKM mampiasa ny atao hoe presbiteriana synodaly ( syn = miaraka, mitovy ; Odos = mandeha)
Synodaly = miara-mandeha
5. OLONA MANAIKY IRAHANA AMPAMOKARINA HO AN’ANDRIAMANITRA
« Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin’i Simona. Dia hoy Jesoa tamin’i Simona : Aza matahotra ; hatramin’zao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao. » Lio 5 : 10
Mitondra vokatra ho an’Andriamanitra rahatrizay no hataonao
Fotoana androany hiovanao fo mba havahan’Andriamanitra toa an’i Simona ianao, izay nahitany ny fepetra 5 ny olona atao hoe miorina.
MAHEREZA