FJKM KATEDRALY ANALAKELY

NY FANAHY MASINA

Toriteny Alahady 30 May 2021 – Lioka 10, 17-24

A – Fanahy Masina : loharanom-pifaliana tena izy

Nahavita ny asa ny mpianatra ary nahomby ka feno fifaliana tanteraka (And 17-19). Faly ihany koa i Jesoa Kristy, ary toy ny fifaliana tsy mety tapitra izany. Nasehony tamin’ny endrika ety ivelany ny fifaliany (And 21).

1. Noho izany dia sahia maneho ety ivelany ny fifalianao

2. Ny fahazoanao ny Fiainana Mandrakizay no loharanom-pifaliana, eny fa na dia nety sy nahomby aza tamin’ny asa izay nankinin’ny Tompo taminao.

B – Fanahy Masina : mampandresy hatrany

Nomen’i Jesoa Kristy ny mpanompony ny hery sy fiadiana rehetra entina hiady, sy hiatrika ny asa dia ny Finoana izany. Mandrefy io finoana io no asan’ny Fanahy Masina, izany hoe jereny raha mahatoky ilay fitaovana. Hampandreseny amin’ny rehetra ianao rehefa matanjaka ny finoanao.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email