FJKM KATEDRALY ANALAKELY

HAMBOARINA NY FAÇADE PRINCIPALE

Araka ny fanapaha-kevitry ny komitin’ny fankalazana ny faha-160 taona, izay efa nandalo ny ambaratonga-drafitra teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely dia ny fanavaozana tanteraka ny “Façade principale” no tsangambato iray lehibe hanamarihana izao fankalazana izao.

Nandritra ny fiheveran-draharaha ny sabotsy 14 aogositra 2021 no namelabelaran’ny komitin’ny fankalazana sy ny Komity Teknika Tao trano, ny fizotry ny asa fanamboarana. Voalaza ary fa ny endrika rehetra hita avy ety amin’ny araben’ny andohan’analakely no havaozina iray manontolo. Ao anatin’izany ny rindrina be ny fiangonana izay misy dingana telo, ka hahitana ny fitaratra maro loko izay manamarika ny maha-katedraly ny fiangonana. Hamboarina ihany koa ny rindrina mivoitra izay misy ny fitoeran’ny fiaran’ny mpitandrina ary ny dispensaire ankehitriny. Tsy adino ny manatsara ireo faritra rehetra manodidina ny tokontanim-piangonana.

Raha ny fizotry ny asa dia toy izao ny dingana :
– hampiakatra ny “echaffaudage” aloha ny teknisiana
– hiroso amin’ny fanalana ireo rindrim-pitaratra ka haverina holalorina tsara.
– ho avy ny orinasa MGI hametraka rindrim-pitaratra vaovao ka ny “menuiserie aluminium” no hampiasaina. Hotazomina foana ireo fitaratra maro loko
– hitohy amin’ny asa fandokoana amin’izay rehefa tafapetraka ny “menuiserie aluminium”
– eny an-tsefatsefany dia mandeha ny asa fanamboarana ny rindrina manoloana ny dispensaire sy ny fitobian’ny fiaran’ny mpitandrina.
– ny fandokoana no hamarana ny asa rehetra

Raha ny fikasana dia vita amin’ity taona 2021 ity ihany ny asa. Rehefa nandinika moa ny komity roa tonta, ny fankalazana ny faha-160 taona sy ny Tao trano dia hararaotina ny fanamboarana ny lalan-tsara mankany amin’ny trano fisainana sy ny tranon’ny mpiandry fiangonana. Manodidina ny 126 tapitrisa ariary ny teti-bidin’ny fanavaozana rehetra.

Mbola tsy tratra ny ezaka anefa mino ny fiangonana fa tsy maintsy ho vita ny fanamboarana rehefa ny rehetra no miara-mientana.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email