Nasaina manokana amin’izany i Henri Ratsimbazafy, ny tarika Laurent Rakotomamonjy, ary Noely sakelidalana. Ireto avy kosa ny chorale handray anjara amin’io fotoana io: ny Romeimy FJKM Ankadikely, ny Akon’I Kristy Velona FJKM Andavamamba, ny STK FJKM Hebroma, ary ireo avy eto an-toerana Seha-pitaizana IRAKA, ny Tafika Chorale sy Tafika Miantsa, ny FIMPIZKA ary mazava ho azy ny AMA. Ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickaël dia hampiara-peo amin’ny AMA.
Koa manentana ny rehetra hanatrika io Antsan-kira io fa endrika fitoriana ny filazantsara sy fiderana an’Andriamanitra io fotoana io, ka ho voky zava-tsoa tokoa ianareo. Tsy misy ny vidim-pidirana fa valopy no ho zaraina. Misy koa dépliant ho jifaina amin’io fotoana io ka azo hanaloka ho an’ireo izay mividy. Farany, misy DVD single “Ampy ahy” amidy ho santatry ny Album izay mbola ho vokarina amin’ity taona ity.
Salamo faha 104 33a: “Hihira ho an’I Jehovah, raha mbola velona koa”.