FJKM KATEDRALY ANALAKELY

T.A.FI.K.A : NAHAFINARITRA NY ZOMA VOALOHANY

« Mifalia ry zatovo dieny mbola tanora ianao, ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao ;… nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’Andriamanitra hotsaraina ianao amin’izany rehetra izany » Mpitoriteny 11,9

Tontosa ny zoma 24 febroary 2023 lasa teo ilay hetsika voalohany nokarakarain’ny sampana T.A.FI.K.A ka nampitondrana ny anarana hoe « ZOMA MAHAFINARITRA ». Natomboka tamin’ny fampianarana fohy nataon’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickael izany, narahina fanantenana an-kira ary nofaranana tamin’ny fiombonana amin’ny sakafo. Tamin’ny 5 ora sy sasany hariva no natomboka ary nifarana teo amin’ny 7 ora sy sasany alina teo.

MAMPISAFIDY VADY ANAO ANDRIAMANITRA, IZA NO SAFIDINAO ?

Io no fampianarana voalohany nozaraina ho an’ny tanora tamin’io zoma mahafinaritra io. Telopolo minitra teo eo no nitondran’ny Mpitandrina azy ka nanazavany ny lohahevitra tamin’ny alalan’ny teboka dimy lehibe :

  • Tsy manankina ny safidy amin’ny hita maso. Ny endrika amam-bika, ny harena sy fahaizana no tian’ny Mpitandrina nampitaina. Raha ireo mantsy no ho fototry ny fanapaha-kevitra dia diso satria azo sokajiana ho toy ny zavatra simba ihany izany ka tsy haharitra.
  • Izay hahazoanao fiadanana. Ataovy miantefa amin’ny olona hitondra fiadanam-po ho anao ny safidinao fa tsy korotan-tsaina
  • Tsy mitaky tambiny. Ilay fitiavana marina, toy ny fitiavan’Andriamanitra loharanon’ny fitiavana no tena fara-tampony tsara indrindra. Tsy mifampitaky tambiny
  • Olona efa mino na mitoetra ao amin’Andriamanitra no safidio. Nananatra ny Mpitandrina fa tsara kokoa raha samy efa mino no miroso amin’ny fanambadiana
  • Feno fankatoavana. Olona vonona hankatoa ka hanana fanetren-tena no tsara indrindra

Teo ny tanora liana tamin’ny lohahevitra fa tena teo ihany koa ireo ray aman-dreny vonona ka nitondra mihintsy ny zanak’izy ireo nanatrika ny fotoana.

TSY SAKANA NY ANDRO HARIVA

Nihoatra lavitra noho ny noeritreretina ny tanjona tamin’io zoma mahafinaritra andiany voalohany io satria dia nahasarika ny Kristiana maro na dia hoe efa fotoana hariva izany. Azo lazaina fa toerana tokony hosokafana noho izany ny fiangonana isaky ny andro na fotoana hitadiavana fialam-boly. Anjaran’ny fiangonana ny mampifandray izany amin’ny fomba Kristiana mba hitondra soa ny fanatrehana izany.

Réunion –  Communion –  Fraternité

Fitaizana vohizin’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickael, izay ezahina hambolena eny anivon’ny sampana ka mipaka any amin’ny fiangonana ny fivoriana, fiombonana ara-pirahalahiana (Réunion – Communion – Fraternité). Fomba iray hampitomboana ny fifaneraserana eo amin’ny samy mpiangona io ka hifankafantarana bebe kokoa no sady manamafy fifankatiavana. Raha hatomboka amin’ny fivoriana ny fotoana dia faranana amin’ny sakafo izay mampiseho fiombonana. Io no nentin’ny sampana T.A.FI.K.A namohizana ny zoma mahafinaritra ary tena nahomby izany. Raha tao am-piangonana no nanombohana ny fampianarana, dia niafara teo an-tokontanim-piangonana izany tamin’ny alalan’ny kitonotono sy lasopy mafana. Na ny sampana mpikarakara na ny Kristiana nanotrona dia samy nahita fafiny avokoa.

Amin’ny Zoma 31 martsa 2023 indray no fotoana ka hizarana ny lohahevitra hoe « FAHOTANA VE NY MANAO SIPA »

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email