FJKM KATEDRALY ANALAKELY

SEKOLY ALAHADY : IVON’NY FAHA-140 TAONA

” Fa hianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao”, II Tim 3: 14a
“Aza matahotra ny mampianatra ny tenin’Andriamanitra fa momba antsika Izy” Asa 18, 9b

Ireo andalan-tsoratra masina ireo no nanakoako nandritra ny ivon’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-140 taona ny Sekoly Alahady FJKM Katedraly Analakely. Ny alarobia 12 jona 2024 no fotoana niarahana tamin’ny Synodamparitany Iarivo Avaradrano izay notarihin’ny Prezida Synodaly, Andriamatoa RABETOKOTANY Miarilaza Mpitandrina, ary notronon’ireo Birao mpiara-miasa taminy.Tonga nanatrika ihany koa ny Sekoly Alahady SPIA izay notarihin’ny Filohany, ny Mpitandrina RANDRIANALIDERA Radoniaina Robin ka izy ireo no nandrindra sy nitarika ny fotoana. Ny Alahady 16 jona 2024 kosa no niarahana niombona tamin’ny FJKM Katedraly Analakely ka ny Komity Lehibe tamin’ny alalan’ny Mpitandrina RAKOTOARISON Vony José no nitondra ny hafatr’Andriamanitra.

Notontosaina tamin’ny Alarobia 12 jona 2024 lasa teo arak’izany ny fanompom-pivavahana nanomezan-boninahitra an’Andriamanitra ho fankalazana ny faha-140 taona ny Sekoly Alahady tato amin’ny FKJM Katedraly Analakely. Fotoan-dehibe eo anivon’ny SPIA tokoa ny ivon’ny fankalazana toy izao satria ny Sampana Sekoly Alahady manerana ireo fiangonana sy fitandremana anatin’ny SPIA no tonga nanotrona sy nizara ny hafaliana.

Izany moa dia notarihin’ireo Raiamandreny ao amin’ny rafitra dia ny Biraon’ny Synodamparitany sy ny Biraon’ny Sekoly Alahady SPIA. Notokanana nandritra io fotoana io ny takelam-pahatsiarovana izay mijanona ho tantaran’ny fiangonana ka ny Prezida Synodaly, ny Biraon’ny Sekoly Alahady ary ny Komity faha-140 taona, ary ny Mpitandrina sy ny Biraon’ny Fitandremana Katedraly Analakely no niaraka nanao izany. Ho mariky ny fiombonana dia nisy ny fiaraha-miasakafo izay nanasan’ny Komity faha-140 taona ny vahiny rehetra tonga.

Ny Alahady 16 jona 2024 kosa no niara-paly tamin’ny mpiray finoana teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely sampana Sekoly Alahady ka nandritra ny fidirana faharoa no nanaovana izany. Ny Birao ny Sekoly Alahady sy ny Komity faha-140 taona no nifandrimbona nikarakara. Nasaina manokana ireo Sampana, Sampanasa ary Fikambanana rehetra ary nisy ny fotoana manokana izay niarahaban’izy ireo ny Komity faha-140 taona. Nasaina manokana ihany koa ireo Sekoly Alahady mpiray vody rindrina amin’ny Katedraly Analakely. Notokanana nandritr’io fotoana io ny “brise vue métallique” ahitana ny sarim-pamantaran’ny faha-140 taona. Nomena fankasitrahana ihany koa ireo namorona ny hira faneva sy ny sarim-pamantarana ary ny nanolotra ny teny faneva ho fahatsiarovana izao fankalazana izao.

Notanterahina nandritra io alahady 16 jona io ihany koa ny fankasitrahana ireo mpino kristiana nanao ny sary famantarana, ny hira famantarana, ny teny faneva namohizana ny fankalazana ny faha-140 taona.

” Fa hianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao”, II Tim 3: 14a. Izany andinin-tSoratra Masina izany no azo vakiana miharihary eo amin’ny takelaka. Fehezan-teny tokana no nentin’ny Mpitandrina RANDRIANALIDERA Radoniaina Robin namintina ny torinteny ny Alarobia 12 jona 2024 izay manao hoe, “olona miavaka ianao”. Manana tombony tokoa ny olon’ny Sekoly Alahady, hoy ihany ity mpanompon’Andriamanitra, satria olona tsy mitsahatra amin’ny fianarana, mampitombo izany ary mahay mizara izany ihany koa ireo nobeazina teo anivon’ny Sekoly Alahady.


“Aza matahotra ny mampianatra ny tenin’Andriamanitra fa momba antsika Izy”, Asa 18, 9b, izay kosa ny hafatra napetraky ny Mpitandrina RAKOTOARISON V. José ho an’ny Sekoly Alahady eto an-toerana nandritry ny torinteny tamin’ny Alahady 16 jona 2024 lasa teo. Aza matahotra amin’ny fampianarana ny Soratra Masina fa ny Tompo no momba, miaro ary manantena anao.
Na ny Alarobia, na ny Alahady dia samy maniraka ny Sekoly Alahady tsy hihemotra mihintsy amin’ny fampianarana ny Soratra Masina, na inona sakana, na inona ny fahasarotana.

Ny fiangonana FJKM Ambohimahavelo no tsangambato hanamarika izao fankalazana izao. Raha ny tetiandro dia 28 jona no hapetraka ny vato fototra ny fiangonana izay hialohavan’ny Tafika Masina lehibe.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email