FJKM KATEDRALY ANALAKELY

MIJORO NY VAOMIERA ARSIVA

“Ny horonan-taratasy, ny vakoka volamena…efa napetrany teo amin’ny efi-trano” Jer 36, 20a – I Mpanj 6, 21b
Ao anatin’ny tetiandron’ny FJKM Foibe, ny alahady fahatelon’ny volana febroary dia Alahadin’ny Arsiva sy Tranombakoka. Koa nosafidian’izy ireo ny FJKM Katedraly Analakely hankalazana izany, ny Alahady 16 febroary 2025 lasa teo. Notokanana ihany koa nandritra io Alahady io ny Vaomieran’ny Arsiva eto amin’ny Katedraly Analakely izay miisa 24.

Arsiva sy Tranombakoka FJKM
Asa iray mijoro eo anivon’ny FJKM ny Arsiva. Ny taona 1984, ny fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe sy ny Synoda Lehibe tany Toamasina no nanome didy ny fiarovana sy ny fikajiana ny arsiva sy tantara ka niorina ny Arsiva Tranombakoka FJKM ho fanatanterahina izany didy izany. Ny andininy faha 376 – 382 ao amin’ny anatin’ny Foto-dalàna sy Fitsipika FJKM no mandrafitra ny fomba fiasan’ny fitandremana mikasika ny fitanana an-tsoratra sy ny fanangonana ireo antonta-taratasy rehetra fa indrindra ny tantara.

Vaomieran’ny Arsiva isam-pitandremana
Ho fanatanterahina io fehi-kevitry ny Mpiandraikitra Foibe io ihany dia manao ezaka ny Arsiva sy Tranombakoka FJKM mba hitsangana eny anivon’ny Fitandremana ny asa ARSIVA izay nofaritan’ny Foto-dalàna sy Ftitsipika toy izao : manangona, mandamina, miaro, mizara ny arsivan’ny fiangonana. Misy fiofanana ny mikasika ny “service arsivistique” omena ny fitandremana momba izany. Nanao antso ny Vaomieran’ny Arsiva eto amin’ny Katedraly Analakely ka betsaka no namaly. Nandalo fiofanana in-telo miantoana izy ireo ka afaka notokanana ho Vaomieran’ny Arsiva ara-pomba-piangonana. Ny Alahady 16 febroary 2025 lasa teo no nitsangana ara-pombam-piangonana arak’izany ny Vaomiera Arsiva FJKM Katedraly Analakely. Ny Talen’ny Arsiva Foibe, Ramatoa RALISON Fanja Mpitandrina no nitarika ny fotoam-pivavahana. Ny Mpitandrina RAKOTONIRAINY Jaona sy RASENDRAHASINA Lala no nitory teny nandritra ny fidirana anankiroa. Ireto avy ireo mpikambana ao amin’ny Vaomiera Arsiva :
ANDRIAMAMPIONONA Verohanitra
HARIMISA Ravonintsoa
RABESOHARIMANANA Viviane Harisoa
RABETOKOTANY RAVELO-HOERSON Annie
RABETRANO Sylvie Corinne
RAHARIMANANTSOA Dina
RAJAOBELINA Laurence
RAKOTOMANGA ANDRIANADY Saholy
RAAMBOSON Dyna
RAMANANTSOA Nirina
RAMAROSON Enintsoa
RANDRIANAMPY Vola
RANDRIANJOHARY Andrianina
RATSIMBAZAFY ANDRIANARISON Niry
RAVELO-HOERSON Patricia
RAZAKANARINDRA Zoe
ANDRIAMASINORO Faralahy Ramamonjisoa
RAFALISON Klerman
RAFALISON Zolyman Erika
RAKOTOBE Iharimboahangy
RAMAMONJISOA Solofomanitra
RAMAROSON Gabriel
RAMIANDRASOA Lucien
RASANDIFERA Dary Andry

Ny tolakandro moa dia nisy ny antsam-piderana nanasana ireo antoko mpihira efa mpiredona ny hira tranainy ka anisan’izany ny Feo mamanton’alina, ny maintimolaly avy ao amin’ny FJKM Anjanahary Maritiora, Antoko Mpihira Zafindraony FJKM Anosipatrana, STK Anosizato Andrefana…Gadona mirakitra ny tantara ny firenena sy ny fiangonana ny zafindraony ary mitahiry tantara sy kolontsaina.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email