“Ho mandrakizay anie ny vonihahitr’i Jehovah ; aoka Jehovah hifaly amin’ny asany” Salamo 104, 31
Miroso ny dingana voalohan’ny asa araka ny tetiandro dia ny fandravana sy famotehina ny rihana faharoa ka midina aty ambany. Hisaorana Andriamanitra fa mizotra manaraka ny tetiandro napetraka ny fandrosoan’ny asa fiomanana mialoha ny fanombohan’ny asa gros-œuvres infrastructure sy superstructure.
06/03/2025 no nanomboka ny installation de chantier, ny famaritana sy fiarovana ny faritra hiasana sy ny efitra lehibe fivavahana.
11/03/2025 no nanomboka ny asa fandravana, ka ny voakasik’izany dia manaraka ny méthodologie voarafitra, miala avy any ambony :
**plancher haut R+2 na ny dalle en hourdis ny terrasse niv. R+3
**ny structure en béton armé poteau sy poutre rehetra ary ny rindrina ivelany sy anatiny niv. R+2
**ny cage d’escalier principal niv. R+3
**ny balcon en béton armé niv. R+1
**ny escalier extérieur en béton armé
**ny rindrina toilette femme ao ambanin’ny escalier
**ny rindrina mampisaraka ny trano fisainana/ toilette femme niv. RdC
**ny rindrina miditra amin’ny trano fisainana niv. RdC
**ny sols ny trano fisainana sy ny toilette femme niv. RdC
Ho vitaina ireo asa fandravana voatanisa ireo hatramin’ny 25/04/2025, mialoha ny hiatrehina ny fanombohan’ny asa gros- œuvres en infrastructure amin’io daty io.