FJKM KATEDRALY ANALAKELY

“Mahasambatra kokoa ny manome…”

“Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray” Asa 20:35b

Notontosaina ny Alakamisy 20 jona 2019 tontolo andro lasa teo ny asa fanasoavana izay fanaon’ny FJKM Katedraly Analakely, ao anantin’ny programan’ny fiangonana isan-taona. Ny biraon’ny fiangonana notarihin’ny Mpitandrina RAVELOSOA ANDRIAMAMONJY Nomenjanahary Mickaël mivady ary notronon’ny mpiara-mivavaka.

TOPAZA AMBOHIMITSIMBINA

TOPAZA (Toeram-Panabeazana Zaza), Akany Avoko Ambohidratrimo, Akany Avoko Faravohitra sy Meridaza Bevalala, Toeranana fanarenana zaza maditra Anjanamasina, Faculté de Théologie Ambatonakanga ary ny Kolejy Teolojika Ivato ; ireo no toerana nanaterana ny fanomezana ka nisy hatrany fiaraha-mivavaka sy fanentanana isan-karazany. Ankoatra ny fanomezana avy amin’ny fiangonana dia natao ihany koa ny fanentanana tao am-piangonana ka maro ireo mpianakavin’ny finoana no nanome. Fitafiana sy akanjo, enta-madinika, fitaovana isan-karazany no voaangona.

Mampiseho ny fiombonana sy firaisan’ny mpiara-mivavaka tokoa izany ary iriana ny hisian’ny hetsika matetika.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email