Notontosaina ny Alahady 06 oktobra 2019 lasa teo ny Alahadin’ny Mpitandrina tao amin’ny FJKM Katedraly Analakely, ka nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy nitondrana am-bavaka ny Mpitandrina RAVELOSOA Andriamamonjy Nomenjanahary Mickaël sy ny ankohonany.

Andriamatoa RANDRIANARISOA Lovasoa Mpitandrina, izay mitondra ny « poste d’évangelisation » any Bekily no nitarika ny fotoana sy nitondra ny tenin’Andriamanitra. Notsindriny manokana ny anjara-toeran’ny fitiavana sy ny tenin’Andriamanitra tamin’iny Alahadin’ny Mpitandrina iny.
Toy ny fanao dia ny biraon’ny fiangonana no nitarika ny fotoana, nanao ny vavaka sy ny vakin-teny. Niara-nientana kosa anefa ny sampana, sampan’asa ary ny fikambanana rehetra ka nampiseho ny fiombonana tamin’ny alalan’ny fanamiana. Tsy diso anjara ny Loholona sy ny Diakona izay nampiseho tokoa fa mpiara-miasa akaiky amin’ny Mpitandrina.
Nandritra ny lahateny izay nentin’ny biraon’ny fitandremana no nampatsiahivana ny lalan-tsarotra nodiavin’ny fiangonana kanefa lehibe mihoatra izay ny fitantanan’Andriamanitra.
Mavesatra ny adidy sy ny asa hiandry ny Mpitandrina ka tononina aminy ilay fiteniny manao hoe « MAHEREZA »
