Endrika iray nentin’i Ravelosoa Mickaël Mpitandrina eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny fankasitrahana ireo niasa ka nahavita ny andraikiny teo amin’ny asan’Andriamanitra teo aloha. Ny Biraon’ny fiangonana sy ireo Mpandinim-bola no nanombohana izany.
Ireto avy ireo ny anarana sy ny taona naharetan’izy ireo :
NY BIRAOM-PIANGONANA :
- Rtoa RAJAONERA Hanta – Mpitahiry volan’ny fiangonana – (2012-2019)
- Atoa RASAMIMANANA Fitomalala – Mpitan-tsoratry ny vola (2012-2019)
- Atoa RATSIMBAZAFY Serge – Mpitan-tsoratry ny vola (2016-2019)
- Rtoa RAHARISAINA Antoinette – Sekreteran’ny fiangonana (2012-2019)
- Atoa RANDRIANARIVO Liaha – Sekreteran’ny fiangonana (2016-2019)
- Atoa RATSIFEHERA Tafika – Sekreteran’ny fiangonana (2004-2019)
NY MPANDINIM-BOLA
- Atoa ANDRIATSOANAVALONA Joseph ( 2016-2019 )
- Rtoa RALISIARISOA Rivolalaina ( 2016-2019 )
- Rtoa RAMALAJAONIAINA Andrianarizafy Lysiane ( 2016-2019 )
- Rtoa SAMSER Sanda Jenny ( 2016-2019 )
Nandritra ny fanompoam-pivavahana ny Alahady 28 jolay 2019 no notanterahina ny fankasitrahana izay nifanaraka tamin’ny litorija. Nisy noho izany ny sertifika ho fanamarihana izany.
Nisy ny fandraisan’anjara fitenenana avy amin’ny solontenan’izy ireo ary tsy diso anjara ny tononkalo.
AMPITOMBOINA AMINTSIKA MANDRAKARIVA ANIE RY HAVANA NY FAHASOAVANA SY NY FIADANANA AVY AMIN’ANDRIAMANITRA RAINTSIKA SY JESOA KRISTY TOMPO AMENA
DIA TOY IZAO INDRAY NY FIVAKY NY TARATASY VOARAY AVY NY BIRAON’NY FIANGONANA SY NY MPANDINIM-BOLA HO FISAORANA NY FIANGONANA TAMIN’NY FANKASITRAHANA AZY IREO:
“Fa inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satro-boninahitra reharehanay? Moa tsy ianareo eo anatrehan’i JesoaTompontsika amin’ny fihaviany va? Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay. »
(1 Tesaloniana 2:19-20)
Ry Hava malala ao amin’ny Tompo
Noraisinay izany andian-teny avy ao amin’ny Epistily voalohany nosoratan’i Paoly ho an’ny Tesalonianina toko faha 2 andininy faha-19 sy 20 izany ankehitriny ho entinay hanehoana ny hafalianay,noho ity Alahady natokan’ny Fiangonana eto amin’ny Katedraly ANALAKELY ho fankasitrahana anay Mpiasam-piangonana ,dia izahay Mpikambana tao Biraon’ny FIANGONANA sy ny Mpandinimbola voafidy niasa nandritr’izay efa-taona farany izay.
- Misaotra an’Andriamanitra izahay nohon’ny fitahiny sy ny fahasoavany nomeny anay mandrakariva ka nahazoanay nanantanteraka ny asa niantsoany anay tsirariray araky ny fanomezam-pahasoavana nomeny anay.
Manokana ity Alahady ity ny Fiangonana ho fankasitrahana anay nohon’ny asa vita nandritry ny izay 4 taona ary fanehoan’ny Fiangonana ny firaisam-po sy ny firaisan-tsaina aminay koa maneho fisaorana anareo Fiangonana, ny Ray aman-dreny Mpitandrina ary ny Biraon’ny Fiangonana noho izao fanehoam-pitiavana ataonareo izao.
- Misaotra ny Mpihevidraharaha ny Fiangonana ihany koa izahay tamin’ny fahatokisana ka nifidy anay ho Mpiasam-piangonana tao anaty izahay efa taona izay.
Ny asa eto amin’ny Fiangonana dia fiovana andraikitra hatrany fa tsy ho toerana tanjona hijanona na hifikirana , ka izany fiovana andraikitra izany ankehitriny no ilan’ny Tompo anay ka hanamafisanay ny fahavononay amin’ny Asa fanompoana, izay mety tsy vitanay amin’ny maha-mpandray anay na amin’ny maha-diakona na loholona anay.
Misaotra anareo izahay niaraha-nihevitra sy nandinika ny asa, ny raharaha ary ny fiainam-piangonana amin’ny ankapobeny, ka notandrovanareo mandrakariva ny maha iray ny Fiangonana sy ny Mpiara-mivavaka ,
- Misaotra anareo Fiangonana ihany tamin’ny fitrotroana ambavaka ny asa nataonay amin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra, ary niray fo amam-panahy tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana miaraka isan-Alahady, ankaotran’ireo fotoana samihafa hiara-mivavaka eto amin’ny Fiangonana na hanaovana fanompoam-pivavahana any antokantrano nohon’ny antony maro samihafa, amin’ny andavan’andro.
- Misaotra anareo Tompon’andraikitra isan-tsampana, Sampanasa manontolo, izay vy miara-miaina sy fivoy niara-mandroso, amin’ny fampandrosoana ny Fiangonana sy ny asa napetraka tamintsika Io firaisan-tsaina sy firaisam-po teo amintsika io no nahavitana ireo asa teto amin’ny Fiangonana nandritry izay efa taona .
- Farany, tsy ny kely indrindra dia misaotra anareo ankohananay tsirairay avy izahay tamin’ny fanohananareo anay tamin’ny fanantanterahanay ny adidy aman’andraikitra amin’ny asa nifidianana anay teto anivon’ny Fitandremana .
Nihevitra mandrakariva toa ihany koa ianareo amin’ny asa fampandrosoana ny asan’Andriamanitra teto anivon’ny Fiangonana,ka nitondra am-bavaka,nanohana nanoro niaraha-nihevitra sy nandinika ny asa sy ny raharaha ary ny fiainam-piangonana amin’ny ankapobeny,na dia matetika aza ianareo eo amin’ny Fiheveran-draharaha vao mahafantatra ny tolokevitra entinay Birao,izany dia ho fitandrovana ny firaisana teo amin’ny Birao; Misaotra sy mankasitraka anareo .
Eto ampamaranana dia manamafy fa tsy mitsahatra akory ny asa eto amin’ny FIANGONANA ,fa ny andraikitra no miova izay ho ataonay na eo anivon’ny Maha-Mpandray ,na anatin’ny Sampana nisy anay tsirairay avy,na amin’ny maha –DIAKONA na LOHOLONA ;
Dia izay no mamarana ny filazana fisaorana avy aminay.
Ho Azy irery anie ny voninahitra .Amena
Izao isika toy ny mahazatra dia handray ny hafatra amin’ny tonokalo mirindra ataon’Atoa Liaha
Misaotra Anao ‘zahay ry Ray
Nitantanao anay,
Mpanompo tsy mahasoa
Fa, notahianao tokoa.
Izay rehetra efa vita
Dia izay tokony ho natao;
Mety misy ny tsy hita
Ka navela tamin’izao.
Tena ifonana tokoa
Izay rehetra tsy natao,
Aoka Ianao hamindra fo
Aminay mpanomponao…
Deraina Ianao ry Tompo
Amin’ny fitiavanao
Tsy nijery maha-mpanompo,
Famelana atolotrao.
Ampombay anay hatrany
Ny fahasoavanao
Tsy adino amin’izany
Ny fiangonanao.
Ny birao mandimby anay
Tantano ihany koa
Mihoatra noho ‘zahay
Ho ampoky ny soa.
Dia ho Anao Andriamanitra
Anie ny voninahitra.
Amintsika rehetra indray
No itodihana izao,
Vita izay ny andraikitray
Dia ny asa maha-birao.
Ny alahelo izay tavela
Aoka re avalona any
Ka mba samy hifamela
Sy hifankatia hatrany.
Fandeferana ihany koa
Amintsika no takiana
Ka mba samy hifanasoa
Dia hiaina am-pifaliana.
Ny miavonavona fadio
Fa mba samy hanetry tena
Mety ambony ianao anio
Fa ny hafa koa jerena.
Raha tanteraka izany,
Ny teny hoe “Miraisa saina”
Mandeha ho azy avy hatrany
Mifampiteny tsy ilaina.
Fahamasinana tsy adino
Sy iainana raha mino
Ny Tompo any aoriana
Hampandroso
am-pifaliana.
Amin’ny Birao vaovao
No itodihana izao.
Film efa nandeha
No averina aminao
Dia ho tsiniko ary ve
Ny mampitsangana anao?
Ny Tompo no nifidy
Aoka izany ho tsaroana,
Amin’ny asa izay omeny
Tsy hanaonao foana.
Ny voninahitry ny Tompo
No tandrovy ho ambony,
Izay maha izao anao
Foany tsy hisy intsony.
Izy no velona ao anatinao,
Ny mivavaka hatrany no tokony atao
Ho feno ny fanahy ary koa fahendrena
Hiasa tsy manahy am-panetren-tena.
Ny fahamarinana ihany koa
Aoka foana hanjaka hatrany
Dia ho tanteraka tokoa
Ny paradisa an-tany.
Izay ary re amintsika no takiana
Izay no tanteraho ,ary ataovy am-pifaliana.
Mahefa be amin’ny asan’ny Tompo.
Misaotra tompoko
Liaha (28/07/2019)
Analakely