FJKM KATEDRALY ANALAKELY

AMPANDRAIKILANDY : Sôma Krismasy 2022

II Tantara 30, 26a « Koa nisy fifaliana be tany Jerosalema »

« Fifaliana » io ny teny tokana azo hilazana ny fankalazana ny Krismary 2022 tany Ampandraikilandy. Noho ny fitantanan’Andriamanitra ny fiangonany dia voatafo soamantsara ny ilany lehibe ny trano fiangonana. Afaka nankalaza ny Krismasy tao anatiny ny Kristiana tany an-toerana, eny na dia tsy mbola vita tanteraka aza izany.

Raha tanaty trano mbola tafo bozaka ny krismasy ny taona 2017, niasa tanteraka Izy Tompo ka tafatsangana sady voatafo ny trano fiangonana vaovao, enim-bolana taty aorian’ny nanombohan’ny asa. Fikasana izay tanteraka, ny nankalazaina ny Krismasy 2022. Tsy nanakana ny fiangonana ny echaffaudage mbola nitsangana fa dia notakonan’ny fandravahana gasigasy isan-karazany izay talentan’ny Kristiana any an-toerana.

Nanomboka tamin’ny 8 ora alina ny sasak’alin’ny 24 desambra 2022 ka fotoam-pivavahana no nasandratra.  Avy eo dia niroso tamin’ny fety krismasy izay nafanain’ireo sampana isan-karazany dia ny DORKASY, STK, SLK, SEKOLY ALAHADY ary FIFOHAZANA. Niomana fatratra ny sampana tamin’ireo fanamiana sy seho izay azo lazaina nampiavaka ny sasak’alina. Nisy ny sakafo maivana nomanin’izy ireo ho an’ny Kristiana nanotrona.

Ny Alahady 25 desambra 2022 maraina kosa dia nanomboka tamin’ny 9 ora. Fanompoam-pivavahana feno no notanterahina, nisy ny Batisa ary nofaranana tamin’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Betsaka ny nisafidy ny nankalaza ny Krismasy tao amin’ny FJKM AMPANDRIAKILANDY FIADANANA izay nahita ireo olom-be sy solontenam-panjakana any an-toerana toy ny Ben’ny tanàna, ny Adjoint au maire, ny Raiamandrenim-piangonana, ny agents de contrôle ny chantier ary ireo vahiny maro avy any Antsohihy. Fiaraha-misakafo no marika ny fiombonana taorian’ny fanompoam-pivavahana.

Ny folakandron’ny 25 desambra kosa dia seho Krismasy niarahana tamin’ny ankizy miisa 80 tao amin’ny Sekoly Alahady sy ny Dorkasy. Nafana ny fandraisan’anjara ka alina vao nirava noho ny orana.

Fehiny : tao anaty fifaliana ny Kristiana tany Ampandriankilandy  fa afaka niombom-bavaka tao amin’ny trano fiangonana vaovao. Feno tanteraka moa ny trano fiangonana ka nahatratra 260 teo ny olona nanatrika izany ny 25 desambra 2022.

Ho Azy irery ny voninahitra.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email