FARITRA, fomba fiasa manakaiky ny mpiangona

Andry iray lehibe ijoroan’ny fiangonana ny fiombonan’ny mpino ao aminy ary ny fifanatonany akaiky. Ny famantarana ny zava-misy eny ifotony koa dia tena manamora ny asa. Ireo no tanjona kinendry amin’ny fitsinjaram-paritra, fomba fiasa vaovao apetraka tsy ho ela eto amin’ny FJKM Analakely. Araho etoana ny fanazavana mahakasika izany.
ANY AMPANDRIANKILANDY NY MASO !

Ampandriankilandy, 13 km miala ny tanànan’Antsohihy, faritra Sofia no misy azy. Any no anaovana ny Tafika Masina ny volana Aprily 2021 ho avy izao. Araka ny tetiandron’ny Fiangonana, dia ny 9 hatramin’ny 11 martsa no hanaovana ny asa fitsirihana (précamp) ary ny 14 Aprily hatramin’ny 19 Aprily 2021 no hanatanterahana ny Tafika Masina. Ao an-toerana […]
