FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Fankalazana ny faha-160 taona : fanentanana ireo zanaka am-pielezana

Efa mandroso hatrany ny fikarakarana ny fankalazana ny faha-160 taona ny FJKM Karedraly Analakely izay tarihin’ireo komity najoro. Anisan’ny hampiavaka tanteraka ity fankalazana ity ny fiantsoana ireo zanaky ny fiangonana rehetra any am-pielezana satria fotoana hiantsoana azy ireo hiverina amin’ilay fiangonana niaviany.

Hisy arak’izany ny fanisana faobe ireo zanaky ny fiangonana Katedraly Analakely izay mieli-patrana, na izay eto an-toerana, na ireo any am-pitan-dranomasina.

Ny fizarana fampianarana Soratra Masina ho azy ireo no hanombohan’ny Mpitandrina Ravelosoa Mickaël ny fanentanana ho an’ny zanaka am-pielezana, mba ho tena resy lahatra ara-panahy.

Aorian’izay dia hiroso amin’ny fanentanana isan-karazany ny vaomiera, na ny hetsika, na ny fotoam-pivavahana. Ny volana aogositra moa no hanatanteraka ny Alahadin’ny zanaka am-pielezana ny FJKM Katedraly Analakely.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email