FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FIZARANA SERTIFIKA NANDRITRA NY FANKALAZANA

Fanao isaky ny fankalazana ny mankasitraka ireo rehetra namelona sy niasa teo anivon’ny fiangonana ka tsy diso anjara tamin’izany ny mpanompon’Andriamanitra izay voaantso teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely. Teo koa ireo nahazo fahasoavana rehetra teto amin’ny fiangonana ka nantsoin’ny Tompo hanao ny asany.

Notanterahin’ny komitin’ny fankalazana tokoa ny fizarana sertifika ka ireto avy no nahazo :

  • Ireo Mpitandrina zanaky ny fiangonana
  • Ny Biraon’ny Fitandremana rehetra izay nandalo
  • Ny mpiasam-piangonana : ireo mpandraharaha, ny mpanadio fiangonana, ny mpiandry fiangonana ary ny mpandamina parking
  • Ireo Loholona sy Diakona rehetra notokanana sy noraisin-tànana
  • Ireo fanambadiana nohamasinina teto amin’ny Katedraly Analakely
  • Ny Biraon’ny Sampana, Sampanasa ary Fikambanana
  • Ireo mpandinimbola rehetra efa nandalo
  • Ireo izay nandalo seha-piofanana na toeram-panomanana : SEFALA, SETELA, SEMI, SAMM

Vanim-potoana iray ny fankalazana hahatsiarovana azy ireo tamin’ny asa sy ezaka vita ho an’ny fiangonana.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email