FJKM KATEDRALY ANALAKELY

KARATRA VAKANA

Tsangambato iray napetraky ny fiangonana Katedraly Analakely natsangana noho ny fankalazana ny faha-160 taona ny fanaovazana ny lafiny lehibe ny trano izay hita avy ety amin’ny araben’ny Andohan’analakely na ny « Façade Principale ». Tsy maintsy niomana tamin’ny loharanom-bola ny fiangonana ka anisan’ny nitondra anjara lehibe ny Karatra Vakana.

Karatra Vakana, io no anisany nampiombona ny fiangonana tamin’ny fampitaovana sy fitadiavana ny enti-manana ka niatrehina ny fanamboarana ny Façade Principale. Ny vakana moa dia fitambarana vatosoa izay fehezina amin’ny tady kely iray. Raha ny hevitra novohizin’ny Komity faha-160 taona dia nisy karazany fito ireo vatosoa ka ireto avy : Kintana – Alimo – Volafotsy – Volamena – Safira – Emeraude ary Diamondra. Nomena mari-bola ireo vatosoa ireo izay nanomboka tamin’ny 20 000 Ar ka hatramin’ny 2 000 000 Ar. Ny tsirairay na ny fianakaviana tsirairay dia afaka nandray anjara arak’izay tandrifiny. Ny fitambaran’ny vatosoa izay nentin’ny fiangonana no nanome ny vakana iray izay nananganana ny Tsangambato voalohany dia ny fanavaozana ny Façade Principale ny FJKM Katedraly Analakely.

Nahatratrarana ny 35% ny vola voahangona ny karatra vakana ary nahavita niatrika ny 30% ny fandaniana. Tsy misy afa tsy ny fiombonana amin’ny asa ihany no zava-dehibe ka velona amin’ny fifankatiavana ny fiangonana.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email