FJKM KATEDRALY ANALAKELY

AMPY AHY

Toy ny fanao mahazatra dia natokan’ny Fiangonana Reniny ho an’ny Antoko Mpihira Analakely (AMA) ny volana Febroary. Ho faranana amin’ny Antsam-piderana goavana nampitondraina ny loha-hevitra hoe « Ampy ahy » izany ny Alahady 26 Aogositra 2023 amin’ny 2ora sasany hariva.

Nasaina manokana amin’izany i Henri Ratsimbazafy, ny tarika Laurent Rakotomamonjy, ary Noely sakelidalana. Ireto avy kosa ny chorale handray anjara amin’io fotoana io: ny Romeimy FJKM Ankadikely, ny Akon’I Kristy Velona FJKM Andavamamba, ny STK FJKM Hebroma, ary ireo avy eto an-toerana Seha-pitaizana IRAKA, ny Tafika Chorale sy Tafika Miantsa, ny FIMPIZKA ary mazava ho azy ny AMA. Ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickaël dia hampiara-peo amin’ny AMA.

Koa manentana ny rehetra hanatrika io Antsan-kira io fa endrika fitoriana ny filazantsara sy fiderana an’Andriamanitra io fotoana io, ka ho voky zava-tsoa tokoa ianareo. Tsy misy ny vidim-pidirana fa valopy no ho zaraina. Misy koa dépliant ho jifaina amin’io fotoana io ka azo hanaloka ho an’ireo izay mividy. Farany, misy DVD single “Ampy ahy” amidy ho santatry ny Album izay mbola ho vokarina amin’ity taona ity.

                Salamo faha 104 33a: “Hihira ho an’I Jehovah, raha mbola velona koa”.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email