FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FENO 125 TAONA NY FIFOHAZAM-PANAHY (9 Jona 1895 – 9 jona 2020)

Tamin’ny 9 Jona 1895, raha niara-nivory tao amin-dRainisoalambo izy 13 mianadahy, ka nihira tamin-kafanam-po sy nifandimby nivavaka ary nandinika ny Soratra Masina, dia nihovitrovitra ny trano. Ary injany nisy feo nanao hoe : «Hamonjy ny oloko Aho, ary ianareo no hitory ny fibebahana aminy».

Nilatsaka ny Fanahy Masina, ka nameno azy rehetra. Nitsangana Rainisoalambo, nivavaka, dia nametra-tanana tamin’ireo mpianany 12 mianadahy, sady nanome teny mamy ho fampaherezana azy ireo tsirairay avy.

Tamin’io andro io no nifanarahany, fa hitondra ny anarana hoe : Ny Mpianatry ny Tompo izy ireo, ka hitandrina sy hampihatra amin’ny fiainana ny didim-pitiavan’i Jesosy, araka izay voasoratra ao amin’ny Jaona 13: 34-35. Teo koa no nandinihany izay fomba mahomby hitoriana ny Filazantsara, manomboka amin’ny manodidina, ka hipaka any amorontsiraka. Ary farany, dia tamin’io ihany koa no nanaovany ny Fifanekena fito, izay ho hitantsika eto ambany.

Tsarovana isan-taona, isam-paritra io daty malazan’ny 9 Jona io, ka anaovana fotoam-pivavahana miaraka amin’ny fiaretan-tory, ambaraka ankehitriny. Averina velomina ao am-pon’ny mpivory ny tantaran’ny Fifohazan- dRainisoalambo, isaky ny 9 Jona, ka izany no ahafantaran’ny tanora mifandimby ny fototra niposahan’ny mazava teo amin’ireo razany.
Manaraka fandaharana manokana sy litorjia mazava tsara ny fotoam-pivavahana amin’ny 9 Jona.

Ireto avy ireo Fifanekena Fito izay nifanaovan’izy 13 mianadahy :
1/ Hianatra mamaky teny hahazoana mandinika isanandro ny Soratra Masina,
2/ Hianatra marika sy soratra hahalalana ny toko sy andininy ao amin’ny Baiboly ary hahaizana manoratra,
3/ Hanao bango volo ny vehivavy ary tsy hanao lava volo ny lehilahy,
4/ Hodiovina tsara ho mendrika hivavahana ny trano fonenana ; hodiovina ny tokotany ; hanao lakozia ivelan’ny trano fonenana, hatokana ny tranon’ny biby amam-borona,
5/ Hanao saha, ka hamboly hazo sy zava-pihinana hahabe ny hanina,
6/ Hatomboka amin’ny vavaka izay rehetra atao, mba hisy fitahiana,
7/ Izay ahafatesana no hilevenana. Lamba sy akanjo madio no hifonosana, fa tsy lambamena ; hira sy fivavahana ary toriteny no hatao, fa tsy mba ny fomba jentilisa ; ary tsy hofonosana ny maty.

Nanomboka hatreo ny fiarahan-dry zareo nifanampy tamin’ny asa aman- draharaha isan’andro, ka nahavitany fambolena tamin’ny faritra nidadasika, izay nahazoany vokatra be. Tsy nisy navelany ho lavavolo ny tany rehetra nananany.

Notohizan’ny zanaky ny Fifohazana ao Soatanana ambaraka ankehitriny ny asam-piraisana, ka endrey izany mahita azy ireo miara-miasa, sady mihira, no mifandimby mivavaka.

Nangonin’Atoa RAVELOSOA ANDRIAMAMONJY NOMENJANAHARY MICKAĂ‹L, MPITANDRINA

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email