FJKM KATEDRALY ANALAKELY

ALAHADIN’NY FI.MPI.Z.KA – NIREDONA NY FEO MOZIKA

Toy ny programan’ny fiangonana isan-taona dia ny Alahady faha-dimin’ny volana janoary no hatokan’ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely ho Alahadin’ny FI.MPI.Z.KA na ny Fikambanan’ny Mpitendry Zava-maneno Katedraly Analakely, ka ny Alahady 29 janoary 2023 lasa teo izany. Ny Salamo faha-150 taona no teny notorian’ny Mpitandrina Ravelosoa Mickael.

Mahazatra ny programan’ny FI.MPI.Z.KA rehefa ny fotoam-pivavahana maraina satria tanterahina eo ny torinteny an-kira izay novelomin’izy ireo tao amin’ny fiangonana telo taona lasa izay. Hiarahana miasa amin’ny Antoko Mpihira AMA, ny Chorale TAFIKA ary ny TAFIKA MIANTSA. Ankoatran’ny toriteny fohy izay zarain’ny Mpitandrina dia ireo antoko mpihira ireo no miredona ny hira mandritra ny fotoan’ny torinteny. Fotoana iray izay hitondrana am-bavaka ny mpitendry zava-maneno rehetra koa izany ka hanasana mpitendry zava-maneno hafa hanafana ny fotoam-pivavahana. Ny FI.MPI.Z FOIBE moa no efa mpiara-miasa amin’ny FI.MPI.Z.KA rehefa fotoana toy izao.

Nandritra ny lahateny nentin’ny Filoha Lefitra, Andriamatoa Ravalitera Ny Rova no nanambarany tamin’ny fiangonana fa efa mahaleo tena ny mpitendry zava-maneno ka mbola te-hanatevina ny fitaovana. Ankoatr’izay dia handray anjara amin’ny fampitaovana ny fiangonana FJKM Ampandriakilandy koa ny FI.MPI.Z.KA ka hanolotra clavier YAMAHA iray.

Ny tolakandro kosa dia niavaka ny kaonseritra satria nisafidy manokana ireo mpitsoka mozika eny an-dàlambe ny FI.MPI.Z.KA mba hiara-hankalaza ny Tompo anatin’ny mozika. Ny tarika “Kombrazy Miray” moa no nasaina izay nahita mpitsoka mozika miisa 16. Vaovao ho an’ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely tokoa ny hetsika satria dia nanakoako ny feon’ireo zava-maneno tsofina isan-karazany

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email