FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FIARETANA SY FAHARETANA : TANJAKY NY FINOANA

Nanatanteraka fifadian-kanina ny Sampana Fifohazana ny zoma 28 jona 2019, tao amin’ny FJKM Katedraly Analakely nandritra ny tontolo andro.

Misy foana moa ny fampianarana sy fandalinana ny Soratra Masina ka noresahina tao anatin’izay ny asan’ny Fanahy Masina izay mitondra hery sy hazavana ho an’ny olona. Ny fiasan’io Fanahy Masina io ihany koa dia hita taratra amin’ny fihainoana sy fankatoavana ny baikon’Andriamanitra.

Farany dia nomena lanja ny toeran’ny Finoana izay hitondra antsika any amin’ny famonjena. Ny anjara toeran’ny fifadian-kanina dia ny hiasan’ny Fanahy irery ao anatin’ny olona ka hampanginana tanteraka ny momba ny nofo mba hanananao fifandraisana sy fiombonana amin’Andriamanitra.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email