FJKM KATEDRALY ANALAKELY

GASY TSARA TOA AZY : AMA-SLK-TAFIKA no hisolo tena antsika amin’ny famaranana

Hetsika fanaon’ny sampana FIFOHAZANA isan-taona ny fifaninana hiraisan’ny fiangonana ka tanterahina isaky ny iray volan’ny sampana. GASY TSARA TOA AZY no nampitondraina ny anarany tamin’ity taona 2023 ity ka niavaka ny fifaninanana satria samy nanao ny fifanintsanana aloha ny isam-piangonana ary ny 29 oktobra 2023 kosa ny famaranana.

Hetsika iray nentina nankalazana ny faha-25 taonan’ny SAFIF no natao ny Alahady 24 septambra 2023. GASY TSARA TOA AZY, ka notanterahina ny fifanintsanana teo amin’ny sampana mijoro teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely izay nandraisan’ny DORKASY, SVM, SLK, TAFIKA, AMA ary ny FIFOHAZANA anjara. Roa taona izay no notontosaina io fifaninanana io ka tena niavaka tokoa ny fanomanana. Haingo gasigasy satria fanehoana ny maha-gasy ny mpifaninana no tanjon’ny Komitin’ny faha-25 taonan’ny SAFIF. Fiangonana efatra ambin’ny folo no mandray anjara ary samy mampiakatra ny telo voalohany izy ireo.

Misy mihintsy moa ny mpitsara ny fifaninana ka olona matihanina amin’ny hiram-piangonana no nantsoina tamin’izany. Ankoatran’ireo mpitsara ireo dia nandray anjara tamin’ny fitsarana ihay koa ny mpijery. Nizara roa noho izany  ny lanjan’isa ka ny 70% dia ny mpitsara ary ny 30% dia ny mpijery.

Ny AMA, SLK ary ny TAFIKA no tafiakatra hisolo tenan’ny FJKM Katedraly Analakely amin’ny famaranana izay hatao eny amin’ny GRAND AMPHI DEGS, Université Ankatso, ny Alahady 29 oktobra 2023. Hifaninana amin’ireo solontena telo avy amin’ny fiangonana efatra ambin’ny folo hafa izy ireo.

Hetsika iray mampiombona ny sampana tokoa ny GASY TSARA TOA AZY satria dia nofaranana tamin’ny hira iombonana izany. Maniry fatratra ihany koa ho seho iray iombonana no entin’ireo solontenantsika ireo, hiomana dieny izao ka hibata ny fandresena.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email