FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Fifampiarahabana no nanohizana ny taom-pianarana

Toy ny fanao isaka ny voalohan’ny taona dia ny fifampiarahabana noho ny tonon-taona, no nanombohana ny fitohizan’ny fampianarana Sekoly Alahady.

Tsaroana manokana mandritra io fotoana io ny Mpitandrina mianakavy, ireo mpianatra sy mpampianatra nahazo diplaoma ary indrindra ireo raiamandreny zokiolona. Izany dia nialohavan’ny fanompoam-pivavahana, ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho fametrahana ny taom-pianarana eo ambany fitahiany;

Mitohy ny taom-pampianarana ao amin’ny Sekoly alahady. Ankehitriny, mi-isa 368 ireo kilonga, tanora ary olon-dehibe mianatra sy mandalina ny tenin’Andriamanitra, ao aorian’ny fotoam-pivavahana voalohany. Nihena moa izany antontan’isa izany, raha oharina tamin’ny taon-dasa. Isan’ny antony nahatonga izany, ny voka-dratsin’ ny fisian’ny valan’aretina Covid-19 eto amin’ny firenena. Mpampianatra mi-isa 76 kosa no miandraikitra ny fampianarana an’ireo mpianatra ireo.

Mandritra izao fankalazana ny faha-160 izao, ny sampana  Sekoly Alahady dia manana tetikasa hanangana trano sekoly any Ambohimahavelona Toliara, ankoatra ny tanjona hiombonany amin’ireo sampana maro samihafa eto amin’ny fiangonana.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email