FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Hafakely ny fiaraha-miasan’ny Sekoly Alahady sy Biblioteka

Tao amin’ny efitranon’ny Biblioteka no nianatra sekoly alahady ny kilasy ankizy kely tamin’ny Alahady 14 febroary 2021 lasa teo. “Endrey ny fifalian’ireto mpianatra mandoko sy manao sary!”, hoy ny mpampianatra azy ireo.

Amin’ity taona ity, imasoan’ny Biblioteka manokana ny tetikasa miaraka amin’ny ankizy sy ny tanora. Isan’izany tetikasa izany ny fandefasana horonantsary manokana hoan’ireo zanatsika na “dessins animés” isaky ny Asabotsy fahatelon’ny volana. Koa, amin’ny Asabotsy 20 Febroary amin’ny 2 ora sy sasany indray ary ny fotoana omen’ny Biblioteka antsika hijerena ny horonantsary mitondra ny lohateny hoe “Abraham sy Isaac”. 

Hiara-hiasa akaiky amin’ny sampana sy sampanasa ary fikambanana misy eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely ihany koa ny sampanasa Biblioteka. Raha ny zava-kendrena dia hitondra ny fitaovana entina hanampiana ny fitaizana sy ny fanabeazana azy ireo ny Biblioteka. Noho ny fitiavan’ireo Kristiana sy ny ezaky ny sampanasa dia efa manana ny fitaovana mikasika « médiathèque » sy « vidéothèque » izao ny sampanasa. Ny vaomieran’ny boky sy fampianarana moa dia efa hiroso amin’ny fividianana ireo boky fianarana ilaina ankehitriny

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email