FJKM KATEDRALY ANALAKELY

ZAVA-MAHADOMELINA : DINGANA 14 NY ZANAKA ADALA

FILAM-BANINY (Lioka 15, 12) : fiantombohan’ny fikorontanana eo amin’ny fiaraha-monina. Mahatsiaro tsy afa-po, manome tsiny ny hafa. Foana ny acceptation de soi ka mamorona endrika vaovao.

FITIAVAN-TENA ( Lioka 15,13a ): mifanohitra amin’ny fitaizan’ny fiangonana (#egoisme)

FIATAHANA (Lioka 15, 13b) : miroso tsikelikely makany amin’ny làlan’ny fahadalana

FILAN’NY NOFO ( Lioka 15, 13d ) : manomboka tia filibàna. Raha tsy manam-pananana dia manomboka mangalatra, na mitady vola tsy maotina, manao fandaniam poana

FAHASIMBANA ( Lioka 15, 14 ) : Lasa mahantra sy potika ara-nofo

FANANDEVOZANA ( Lioka 15, 15 ) : lasa miakin-doha tanteraka, tsy manana safidy fa miantehitra amin’ny zava-mahadomelina

FAHABIBIANA ( Lioka 15, 16 ) : mampidina ny tenany toy ny biby, mampatahotra fotsiny

FAHATSIAROVAN-TSAINA ( Lioka 15, 17) : mahatsapa lay olona fa diso làlana, ary efa tafidina lalina any amin’ny fahaverezana ka tonga saina

FANAPAHA-KEVITRA ( Lioka 15, 18-19 ) : rehefa tonga saina dia misafidy ny hiverin-dàlana ho any amin’ny tsara

FANDRAISANA ANDRAIKITRA ( Lioka 15, 20a ) : rehefa tapa-kevitra dia tanterahina amin’ny alalan’ny fihetsika

FIHAVANANA ( Lioka 15, 20b ) : efa nibebahanao ilay ratsy vita tamin’ny lasa, jereo ny ankehitriny

FIFONANA ( Lioka 15, 21) : marina ny fifonana raha miainga amin’ny fahatongavan-tsaina, fanapaha-kevitra ary fandraisana andraikitra

FISANDRATANA ( Lioka 15, 22-23 ) : raisin’ny Tompo amin’ny fifaliana ny fiverenanao Aminy

FIADANANA ( Lioka 15, 24 ) : ny fahavelomana vaovao dia mitondra anao any amin’ny fifaliana mahatretrika

Mpitandrina RAVELOSOA ANDRIAMAMONJY Nomenjanahary Mickael

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email