FJKM KATEDRALY ANALAKELY

TAFIKA MASINA FJKM AMBOTSIROA MALALA – Miantso ny kristiana hiverina any am-piangonana

Taorian’ny fangatahana nataon’ny fiangonana FJKM AMBOTSIROA MALALA, faritra Mahitsy, dia notanterahan’ny Sampana Fifohazana teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny Tafika Masina ny Talata 22 oktobra 2019 lasa teo ka ny Filohany Ramatoa Daddie RATSIFEHERA no nitarika izany. 14 no mpikambana nandeha izay nahitana mpiandry 12. Tsy maintsy nisy aloha ny dinika fanomanana izay niarahana tamin’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickaël.

Tamin’ny 8 ora maraina no nigadona teny an-toerana ny SAFIF ary ny Mpitandrina sy ny Diakona tany an-toerana no nandray azy ireo. Niroso tamin’ny fanompoam-pivavahana aloha, ary notohizana tamin’ny dinik’asa izay nanomezan’ny Mpitandrina teny an-toerana ny toromarika sy ny fandaminana.

Niavaka ity Tafika Masina ity satria tsy fitoriana filazantsara toy ny mahazatra no tena niantsoana azy ireo fa ny famerenana ny Kristiana hivavaka any am-piangonana. Tsapan’ny fiangonana FJKM AMBOTSIROA MALALA tokoa mantsy fa tena nihavitsy ny mpivavaka. Toy ny fanao dia nisy ny famangiana isan-tokantrano sy vohitra ka tokantrano 54 no vohatsidika, izay tao anatin’ny vohitra 4. Nampian’ny Sampana Fifohazana teny an-toerana moa izy ireo ka tonga 28 no niasa.

Teo vao tsapa ny antony nampihemotra ny kristiana tsy nandeha tany am-piangonana intsony. Raha fehezina dia toy izao no antony mamparisarisa ny kristiana tsy namonjy fiangonana : teo ireo tsy lany diakona sy birao isan-karazany ; nisy koa ny fitsitokotokoana vokatry ny fiovan’ny mpitondra fiangonana.

Vita tao anatin’ny tapak’andro ny famangiana tokantrano ary niroso tamin’ny fampaherezana tao am-piangonana ny tolakandro ka ny SAFIF FJKM Katedraly Analakely no nitarika izany. Tao amin’ny 1 Petera 1, 6-12 no tenin’Andriamanitra nentin’ny Filoha nanentanana sy nampaherezana ny fiangonana FJKM AMBOTSIROA MALALA. Ny fiangonana no antsoin’ny Tompo hanohy ny asa faminaniana ka na mandalo fizahan-toetra aza dia mampiorina ny finoana an’i Jesoa Kristy hatrany. Ny fizahan-toetra mantsy no zezika mampitombo sy manamafy ny finoana.

Nifarana tamin’ny fiombonana sy firahalahiana tanteraka ny Tafika Masina ka nanolotra solom-bokatra sy valopy ny SAFIF Analakely. Ry zareo Ambotsiroa kosa dia nandroso mangahazo ho ody am-bava fo.
Mbola hitohy sy hihamafy ny asa fitoriana ny filazantsara amin’ny alalan’ny Tafika Masina ary efa maro ny fandaharam-potoana amin’izany.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email