FJKM KATEDRALY ANALAKELY

TORITENY AN-KIRA RANORAY

Tsy manam-paharoa ! Niavaka ny fotoam-pivavahana tamin’ny Alahady 31 Janoary farany teo. Hiram-piderana sy fankalazana noravahana feon-java- maneno no hita sy nohenoin’ireo nandeha nivavaka. Tsy toy ny nahazatra andavanandro izany. Manana lanja lehibe mandritry ny fotoam-pivavahana ny hira sy ny mozika. Izany indrindra no antom-pisian’ny litorjia amin’ny endriny faha-efatra satria mandritr’io fotoana manokana io, dia hira sy mozika irery ihany no entina mankalaza sy midera an’Andriamanitra.

Isaky ny Alahady farany amin’ny volana Janoary no fotoana hanaovana izany, izay mifanojo indrindra amin’ny Alahadin’ny Fikambanan’ny Mpitendry Zava-maneno Katedraly Analakely (FI.MPI.Z/KA). Ny maraina dia ny Antoko mpihiran’ny sampana TAFIKA sy ny AMA no nanatontosa izany niaraka tamin’ireo mpitendry zava-maneno.

Ny tolakandro kosa dia kaonseritra lehibe naharitra adin’ny roa ora no nentina nanamarihana ny fankalazana an’izay maha Alahady miavaka azy izay. Nasaina manokana nandray anjara tamin’ izany fotoan-dehibe izany moa ny Mpitendry zava-maneno avy ao amin’ny STK FOIBE sy ny FJKM Anjanahary. Niala ny mahazatra ny kaonseritra satria tsy antsan-kira toy ny mahazatra no notontosaina, fa feon-kira ranoray no nohenoina sy norenesina.

Ankehitriny, mikasa ny hanavao ny fampitaovana ao aminy ny FI.MPI.Z/KA. Ka “Ezaka clavier” no fanamby amin’ity taona 2021 ity raha ny fanazavana nentin’ny Filohan’ny FI.MPI.Z/KA tao anatin’ ny lahateniny. Mi-isa 25 ny mpitendry zava-maneno ao amin’ny fikambanana, ka ao ny manan- talenta amin’ny fitendrena : piano, synthétiseur, guitare, flûte, violoncelle, violon, batterie ary saxophone. Marihana fa 17 taona ny tanora indrindra ao anatin’ ny fikambanana, ary maherin’ny 60 taona kosa ny zokiny indrindra.

 

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email