FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Voatokana tamin’ny fombam-piangonana ny Vondrona Fototra Laika

“…inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany…” Matio 5, 47b

Tao anatin’ny tetikandron’ny Vondrona Fototra Laika eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely dia voatokana tamin’ny fomba ara-piangonana izy ireo ny Alahady 23 jona 2019 lasa teo. Ny Sampana Fivondronana Laika avy ao amin’ny Foibe no tonga nanatontosa izany, ary izy ireo ihany koa no nitarika ny fotoana.

Tsy maintsy nanaraka fiofanana moa ireo mpikambana sy ny birao ka ny sabotsy 11 mey lasa teo no natao izany, teo ambany fitarihan’ny Sampana Fivondronana Laika. Raha jerena ny teny fanevan’ny sampana dia takiana izy ireo ny hitady izay hampiavaka azy amin’ny asa atao ao am-piangonana. Nandritra ny fiofanana ihany koa no nanazavan’ny SFL ny antom-pisian’ny Laika eo amin’ny fiangonana. Nahorina izy io ho fampivondronana ireo olona manana talenta sy fanomezam-pahasoavana, ka vonona hiasa amin’ny finoana ho an’ny fiangonana. Noho izany dia adidin’ny VFL ny mitily ireo manana talenta maro eo anivon’ny fiangonana ka mitarika azy ireo hampiasa an’izany ho an’ny fiangonana. Raha ny endriky ny asa dia mizara telo mazava tsara : asa iombonana hatao ; asa fampandrosoana ny fiangonana ary asa ho an’ny fiaraha-monina sy ny firenena. Ny VFL dia tokony hanana fijery lavitr’ezaka ka tokony hanampy ny fiangonana amin’izany.

Toy ny sampana rehetra dia sampana natao hitaiza, hikolokoloana ny fitiavana eo amin’ny fiangonana ary ho fijoroana vavolombelona no tanjona.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email