FJKM KATEDRALY ANALAKELY

AHIAHY, ARETINA, FAHANTRANA, FAHAFATESANA…Vahan’i Jesoa Kristy (Lioka 7, 18-23)

AMBARAO NY FAHAFAHANA AO AMIN’NY TOMPO. Ao anatin’io lohahevitra io no entin’ny FJKM hankaherezana ny mpino Kristiana rehetra hiatrehina izao valan’aretina coronavirus izao. Raha mbola seriny amin’ny fampiasana ny fahaizana sy ny fahalalany ny olombelona hitadiavana ny fanefitra, dia te haneho Andriamanitra fa Azy irery ihany ny Hery sy ny Fahefana.


Nandritra ny toriteny izay nataon’i Mpitandrina RAVELOSOA Mickael ny Alahady 12 jolay 2020 teo no nanazavany ny fanafahana izay omen’i Jesoa Kristy ho an’ireo rehetra izay mino Azy.
1/ Manafaka amin’ny AHIAHY ny Tompo. Ny tantaran’i Jaona Mpanao batisa no nangalana ny fampianarana. Niahiahy izy raha Jesoa tokoa ilay andrasana sa mbola ho avy, ka naniraka ny mpianatra izy hanamarina izany. Asa fanasitranana avy hatrany no namalian’i Jesoa Kristy izany ka namahany ny AHIAHY : and21 « ary amin’izany ora izany Jesoa dia nahasitrana olona maro tamin’ny rofysy ny aretina sy ny fanahy ratsy sady nampahiratra ny jamba maro ». Mampiasa ny fahefany Andriamanitra mba hanananao antoka fa tsy tokony hanana AHIAHY ianao. Ny fahagagana izay miseho amin’ny fiainanao dia entin’Andriamanitra hampitomboina ny finoanao, no sady hanalana ny ahiahinao.


2/ Manafaka amin’ny gejan’ny nofo Jesoa. FANASITRANANA no tian’ny Soratra Masina ambara eto. Izay tsy vitan’ny olombelona amin’ny fahaizany sy ny fahalalany dia hataon’i Jesoa amin’ny heriny sy ny fahefany. Vitan’Andriamanitra ny manome ny fahafahana ara-batana anao ; na ny FANASITRANANA. Porofo fa manatrika ny fiainanao Izy.


3/ Manafaka amin’ny alahelo Jesoa Kristy. Ireo mahantra hatao an-jorom-bala no resahin’ny Soratra Masina eto. Mahita ny fahantranao ny Tompo ary afaka manafaka anao amin’izany. Aza mirehareha fa maneke resy ka antsoy ny Tompo hanafaka anao. Henoy ny Filazantsara ary raiso Jesoa eo amin’ny fiainanao.


4/ Manafaka amin’ny gejan’ny fahafatesana ny Tompo. Fiainana mandrakizay no hampanantenan’i Jesoa kristy antsika. Izy no làlana hahatongavanao any amin’izany. Jesoa kristy no efa nandresy ny fahafatesana ary raha mino Azy ianao dia Mpandresy toy Azy ihany koa.


Finoana izay miseho amin’ny alalan’ny FAHATOKIANA no takiana aminao, omen’Andriamanitra anao maimaim-poana ny fahafahana.

Araho ny fotoam-pivavahana feno izay ahenonao ny toriteny

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email