FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FOTOANAN’NY FANARENANA IZAO

Hagay 2, 1 – 9 / Alahady 06 septambra 2020

Maro ny zavatra simba sy rava taorian’ny valan’aretina mianjady amintsika ka anisan’izany ny fahasimban’ny fiainam-panahy sy ny fiangonana. Fotoana hirosoana amin’ny fanarenana izao araka izay voalazan’ny  bokin’i Hagay. Ny bokin’i Hagay dia mitantara ny zavatra nitranga tamin’ny zanak’israely avy tany am-pahababoana. Hita ao ny fanarenana natrehina taorian’ny fiverenana tamin’ny fahababoana.

1/ aorian’ny krizy dia tokony mifototra amin’ny fanarenana.

Ahoana no fomban’Andriamanitra ? nandray andraikitra Izy taorian’izay zava-niseho rehetra. Ireto misy tantara vitsivitsy nalaina tao amin’ny Baiboly.

  • Adama nihinana ny voankazo voarara, nandray andraikitra avy hatrany Andriamanitra. Nafindrany tany amin’ny biby ny ota. Genesisy 3
  • Nihataka tamin’Andriamanitra ny olona tamin’ny alalan’ny tsy fanaovana sorona. Noho izany dia 300 taona no tsy nihaona tamin’ny olona teto an-tany intsony Andriamnitra ka nomeny i Jesoa ho fandraisana andraikitra.
  • Maty i Jesoa kristy. Nandray andraikitra Andriamanitra nanangana ny zanany.
  • Raha rava ny tempoly ( i Jesoa Kristy ) dia nantsangany telo andro taoriana.

Niverina avy any amin’ny fahababoana ny Zanak’Israely, nihazakazaka nijery ny TEMPOLY. MAHEREZA fa hisy asa betsaka hiandry anao ao. Ampaherezina ianao amin’ny fanarenana mba tsy ho kivy. Tsy maintsy MITADY NY VAHAOLANA araka ny toetran’Andriamanitra.

Mampatsiahy Andriamanitra fa izy no tompon’ny vola koa aza miahiahy ny enti-manana ilaina amin’ny fanarenana. Efa nomeny antsika ny fitaovam-panarenana ( volamena sy volafotsy ).

Mahereza manarina ny tenanao, ny fiainam-panahinao taorian’ny fotoana lava izay naharava anao. Mila ihany koa manarina izay asan’Andriamanitra izay tsy nandeha intsony.

2/Katsaho sy hasandrato  hatrany ny voninahitr’Andrmanitra.

Ny toe-panahintsika no hisandratan’ny voninahitr’Andriamanitra. Noho izany dia hareno ny toe-panahinao.

Ny trano fiangonana dia endrika iray ihany koa hisandratan’ny voninahitr’Andriamanitra. Noho izany dia hareno sy hamboary ny trano fiangonana. Izy no hanome ny fitaovana ilaina rehetra.

Himasoy ny hanandratra ny vonihanitr’Andriamanitra fa ho HENIKY NY FIADANANA ianao.

Isaia 42, 8 : sy tiany omena ny hafa ny voninahitr’Andriamnitra fa Azy irery ihany.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email