FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Andriamanitra mampionona sy mampahery

Toriteny Alahady 18 Aprily 2021 – Isaia 48, 12-22

Rehefa mampionona sy mampahery Andriamanitra dia :

1) Miantso ny olony Izy mba hihaino Azy

📌 Miantso Izy mba hahatsiarovan’ny olona fa mbola ao Andriamanitra sady tsy manadino.
📌 Noho izany dia haverina henoina ny feony ka hankatoavina sy ekena.
📌 Mampiditra ny Tenin’Andriamanitra ao anaty.
➡️ Maneho ny fitiavany amin’ny olona rehetra Andriamanitra, Izy irery ihany no fanafahana amin’ny fahoriana.

2) Maniraka ny olona hanambara ny fanavotany

📌 Nanafaka ny olona tamin’ny fahoriana Andriamanitra ka maniraka ny olona voavonjy mba hanambara izany fanavotana izany.
📌 Tian’Andriamanitra handre izany avokoa ny olona rehetra.
➡️ Manavotra ny olona amin’ny fitiavana Izy.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email