FJKM KATEDRALY ANALAKELY

HO AN’NY MPANOMPO MAHATOKY :

I Mpanjaka 19, 1 – 10 – Alahady 23 aogositra 2020

Endrika iray hanehoan’Andriamanitra ny fahatezerany ny fampahoriana izay ataon’ny fahavalo. Izany no nahazo ny zanak’israely rehefa nivadika tamin’Andriamanitra, izay efa nanao fanakena taminy. Tsy nijanona tamin’izay anefa Izy fa naniraka ny mpanompony Elia hanafaka azy ireo.

Rehefa niverina tamin’Andriamanitra ny vahoaka dia niverina ihany koa ny Fiadanana izay tao anatin’ny fanekena nataony.

Fahoriana izay niatra hatramin’ny aina anefa no nihatra tamin’i Elia fa tsy nihemotra izy fa nifikitra tanteraka tamin’ny Tompo.

Io no nentin’ny Mpitandrina RANDRIANARISOA Joharivony nankaherezana ny fiangonana ny Alahady 23 aogositra 2020 lasa teo nandritra ny toriteny. Nampatsiahiviny ny halehiben’ny fanoloran-tena ka hanamafisana ny fahatokiana an’Andriamanitra.

Ho an’ny mpanompo tena mahatoky izany dia :

1/ Jehovah no hiantoraho.

Tao anatin’ny fanenjehina nataon’i Jezebela dia tsy niala fa nifikitra tamin’i Jehovah i Elia. Nihatra aman’aina izany fanenjehina izany kanefa dia iraka ho fanafahana no nandehanany tany. Nivavaka sy niantoraka tamin’Andriamanitra anefa izy. Raha fanampiana na fanafahana amin’ny jaly no ventim-bavaka atao rehefa ohatr’izao, fangatahina ny ho faty mihintsy no nataon’i Elia. Tsy nekeny ny hiantoraka hangata-pamonjena amin’ny fahavalo.

Mafy ny fanenjehina mahazo ny fiangonana ankehitriny, eso-teny sy ozona mihintsy kanefa tsy mampihemotra antsika izany. Manana fahasahiana isika ny miteny mivantana amin’Andriamanitra noho ny antoka nomeny, antoky ny fivelomana na dia misy mifofo aza ny aina.

2/ Jehovah no hihevitra anao

Homban’Andriamanitra ny mpanompony, mamelona azy ao anatin’ny faharerahana sy fahakiviana. Miditra an-tsehatra Andriamanitra mikarakara ny mpanompony izay hitany fa tsy nivadika taminy. Zava-dehibe ny fitokiana amin’Andriamanitra, jeren’Adrimanitra ny lafi-piainana rehetra. Ny fiverenana amin’Andriamanitra dia midika ho fiverenan’ny fiadanana ihany koa.

Goavana ny fanoloran-tena nasehon’i Elia izay azon’ny fiangonana alaina tahaka amin’izao fotoana izao.

Havaozy ny fanoloran-tena ho amin’ny fanompoana. Miandradrà ny famonjena izay efa nomen’Andriamnitra anao. Aoka ho mpanompo mahatoky hatramin’ny fahafatesana ka tsy hihevitra afa tsy jesoa Kristy. Tiany hanana izany toetra fahatokiana izany isika mba hananana ny fiainam-piadanana sy fahavelomana mandrakizay. Mahatokia an’i Jehovah eo amin’ny asa ampanaovin’ny Tompo, na dia tany efitra tsy misy fahazavana aza.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email