FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Ilay jamba nositranin’i Jesoa, ahoana kosa ity valan’aretina ity ?

Mahagaga ny fiasan’Andriamanitra, fa raha tamin’ny taon-dasa no nandaharana ny perikopa FJKM vakiana mandritra ity taona 2020 ity, dia voalahatra vakiana ny Alahady 5 jolay 2020 lasa teo ny Jaona 9. 30-38, izay mitantara indrindra ny nanasitranan’i Jesoa Kristy ilay jamba. Io andro io ihany koa no nandraisan’ny fitondram-panjakana ny fepetra fihiboahana noho ny fiparitahan’ny valan’aretina eto an-drenivohitra.


Tamin’ny alalan’ny fanazavana ny fahafahana ara-batana izay miseho amin’ny fahasitranana no nanazavain’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickael izany nandritra ny toriteny ny Alahady 05 Jolay 2020 lasa teo tao amin’ny FJKM Katedraly Analakely. Fanontaniana vitsivitsy no nentiny nisintomana ny sain’ny mpino Kristiana :
-Maninona no tsy tonga eto Madagasikara ny Fanafahana amin’ity aretina ity?
-Inona marina ny zavatra nitranga no tsy tonga izany Fanafahana izany?
-Maninona ny jamba lasa nahiratra, maninona ny Corona tsy afaka?

Manasa hanao hijery sy hihaino izany toriteny izany

Misy Kristiana izay namintina ny toriteny arak’izao manaraka izao.

Hatao tsinontsinona i Andriamanitra
Ny olona dia mihevi-tena ho amin’ny faratampon’ny fahaizana sy ny fahalalana ka lasa manao tsinotsinona an’Andriamanitra. Rehefa hatao tsinontsinona Andriamanitra dia ampisehoany ny heriny.
Ny fiangonana no miasa ho mpaminanin’Andriamanitra amin’izao ka mitory sy manambara ny fahafahana, ny lohahevitra izay voalahatra ao amin’ny perikopa FJKM amin’ity volana jolay ity.

Lioka 18:35
1)Ny tena Fahafahana dia tsy miorina amin’ny fombafomba fa miorina amin’ny Finoana :
->Be dia be ny olona no miantehitra amin’ny fombafomba rehefa mitady fanafahana
Ny fanafahana ara-batana tsy miantehitra amin’izany
Lioka 18:42
« Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao. »
Tia hiteny aminao Andriamanitra androany : ->Miorena amin’ny Finoana tena izy dia ho hitanao ny fiasan’Andriamanitra amin’ny Fanafahana ara batana ho anao
Jaona 9:31
« Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.. »
Jaona 9:2
« Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy? »
Jaona 9:3
Jesosy namaly hoe:
« Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan’Andriamanitra eo aminy. »

Raha ianao olombelona io tsy mahay nohon’Andriamanitra
-Ampianarin’i Jesoa androany ny fiangonana : Tsy nanota akory ianareo raha tratran’ny Coronavirus
-Te haneho ny asany Andriamanitra no sady te hampiseho ny maha-Andriamanitra Tsitoha Azy.

->Mila anao Andriamanitra ho HAFAHANA

Fanahinian’Andriamanitra io hitranga :

  • mba hanehoana ny asany , mba ahafahanao mametraka hoe tena Ianao irery Andriamanitra no mahay an’io ary sitrano araky ny sitraponao ary io
    -> FINOANA no anaran’izany

Ny fanafahana entin’Andriamanitra dia Aina, Vatana, Fanahy. Fa tsy Fanahy fotsiny
Jaona 9:6
« Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin’ny tany ka nanao feta tamin’ny rora, dia nahosony ny mason’ilay jamba. »
Jaona 9:7
« Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin’ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra. »
—->> Jesoa nanafaka an’ ity jamba ity ara-aina
Ny aina=saina(=intelligence),fihetsepo(=emotion),finiavana (=volonté), fanapa-kevitra (=décision ) araky ny Baiboly
Mana-piniavana ve ianao irahany ->nafahan’Andriamanitra ilay jamba nohon’ny finiavany, velona ny fihetsepony, velona ny fahatakarany an’Andriamanitra dia ny fahalalana an’Andriamanitra novelomin’Andriamanitra, velona ny fanapa-keviny -> nafahan’Andriamanitra ny ainy, ny fanahiny, nafahan’Andriamanitra ny vatany ->>afaka izy , olon’afaka
Tia hanafaka anao amin’ny areti-mandringana i Andriamanitra
->Aza miantehetra amin’ny fahaizan’izao tontolo izao intsony na ny fahaizan’olombelona FA miantehera amin’ilay Andriamanitra tia haneho ny asany dia ho hitanao ny Voninahiny
->>>Miantso anao Andriamanitra:

  • mba ho MPINO toa an’ ity jamba it y: velona ny finiavana hanatona an’Andriamanitra, hiaro an’Andriamanitra, hametraka an’Andriamanitra amin’ny toerany -> izany no hatao hoe FINOANA FARATAPONY

2)Ny tena Fanafahana marina dia mitarika anao hanana fahasahiana :
-Nahiliky ny fiaraha-monina, ny fariseo, ny ray aman-drenin’ Ilay jamba fa nijoro hatramin’ny farany na nisy aza ny pression de groupe
-Ao amin’Andriamanitra irery ny vahaolana ka rehefa tsy ho ao amin’Andriamanitra ianao dia tsy hahita vahaolana
Izy irery no mahay an’io
->>Andriamanitra no Mahefa ny zavatra rehetra
->SAHIA manambara izany FANAFAHANA izany
***->Fa Andriamanitra irery no Tompon’ny Fanafahana amin’izao zavatra mitranga eto amin’ny firenentsika izao

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email