FJKM KATEDRALY ANALAKELY

KRISTIANA MIHAMAHERY – 2 Timoty 2, 1 – 7

Mitombo taona ny olombelona fa mihena ny herin’ny vatana. Mitombo taona ny olombelona fa tokony mitombo arak’izany ny herim-pinoana izay avy amin’ny fahasoavana. Ny kristiana izay nandray an’i Jesoa Kristy dia tokony hitombo sy hihamahery ara-panahy. Misy anefa ny dingana tokony arahina ka ireo no nazavaini Mpitandrina RAVELOSOA Mickael nandritra ny fotoam-bavaka isan-tokantrano ny Alahady 26 jolay 2020.

1/ Manàna tanjona.
Hita manomboka eo amin’ny and3 – 6 ny fanoharana izay nentin’i Paoly nanazavana ny tanjona tokony hananana ka tamin’ny alalan’ny fanoharana izany.

Miaramila : hitondra fifaliana ho an’izay nifidy anao

Atleta mpanao hazakazaka : miandrandra ny satroboninahitra

Mpamboly : hahazo vokatra
Ny ezaka ataonao manakaiky na mahatratra ny tanjona no mampazoto anao handroso foana. Inona izany no tanjona apetrak’Andriamanitra aminao eo amin’ny maha-kristiana anao ? Tratranao ve io tanjona io ? mahatsapa ve ianao fa mandroso sy mihamahery ?

2/ Manary ny enta-mavesatra
Raha te-handroso sy hatanjaka ianao dia esory izay rehetra mitroka ny herinao ka manavesatra ny fiainanao. Eo amin’ny fiainana kristiana dia ny OTA no manavesatra ny fiainam-panahy. Matanjaka eny am-piandohana fa reraka eny an-dàlana. Ny fiarahana amin’i Jesoa Kristy no hahafahanao mihazona ny hery tsy ho latsaka


3/ Manana finiavana
Ny tanjona izay napetrak’Andriamanitra aminao dia manosika anao hanao ny ezaka rehetra hahatanteraka izany. Rehefa mitombo ara-panahy ianao dia mitady ny hevitra rehetra hanaovana sy hanatsarana ny asan’Andriamanitra ka mampiasa ny saina. Mila tohizana ny asa ary mitady ny hevitra mba hisian’ny fitohizan’ny asa.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email