FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Mahafoiza, aoka ho mendriky ny fahatokisana, mikiriza sy mahareta

” Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako … fa miezaka aho hihazona … ka miezaka hanatratra … eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’I Kristy Jesoa. “ Asa 20:24a – Fil 3:12-14

Ny fiainan’i Paoly ny asa niantsoan’Andriamanitra azy ka nahatonga azy ho mpitory Filazantsara mahery no nifantohan’ny toriteny ny Alakamisy 18 febroary 2021, andro nandraisan-tànana ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickaël mianakavy, ka namoahan’ny Mpitandrina Ravaloson zana-kevitra anankitelo mazava. Mifanandrify tsara io amin’izao andron’ny karemy izay handinihan-tena izao. Tokony hatao sarobidy ny alehiben’ny antso izay hanirahan’ny Tompo antsika.

Mpitandrina Ravaloson

1. Fahafoizana

Endrika iray hanehoana amin’Andriamanitra ny fahavononana hanao ny asany ny fahafoizana : mahafoy ny zavatra rehetra toy ny vola, fotoana …eny hatramin’ny aina. Mitaky fandresen-dahatra sy fanetren-tena vao mahavita mahafoy. Na misandratra toy inona koa anefa ianao eo amin’ny fiaraha-monina dia mila mahafoy, tsy hogejain’ny fitiavan-tena na ny kajikajim-piainana isan-karazany.

2. Fahaizana mihazona ilay fitokisana omen’Andriamanitra

Tsinontsinona i Paoly kanefa nomen’Andriamanitra ny fitokisany hanatanteraka ny asa fanompoany. Na inona ny olana hatrehana dia mazava fa izay hahavita ny asa no hatao mba ho mendrika ilay fitokisana. Ary hazomina hatramin’ny farany io fitokisana io. Aza mandiso fanantenana amin’ilay nanome fitokisana : na eo amin’ny vokatry ny asa, na eo amin’ny hatsaran’ny asa.

3. Fikirizana sy faharetana

Mitaky ezaka sy faharetana rehefa manao ny asan’ny Tompo. Ampiasaina ny hery rehetra, saina, fo, Fanahy mba hikatsahana ny hahalavorarian’ny asan’Andriamanitra ary mba ho hita taratra fa Andriamanitra tsara sy mpanao ny tsara Izy ilay nanankona ny fitokisany amintsika. Raha ilaina ny tsy matory andro aman’alina mba hikatsahana ny hahavitan’ny asa dia hatao. Zava-dehibe ihany koa anefa ny fanomezanao fotoana ho an’ny asan’Andriamanitra, tsy maimaika fa am-pahatoniana tanteraka.

Mpitandrina RAVELOSOA Mickaël mivady

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email