FJKM KATEDRALY ANALAKELY

MAHATOKISA HATRAMIN’NY FAHAFATESANA FA VOATOHITRAO NY FANAKIVIANA

Nehemia 3, 33-38 – Alahady 16 aogositra 2020
Omeo toerana ny tenin’Andriamanitra fa manome fanantenana eo anatrehan’ny fanakiviana ataon’izao tontolo izao izany.


Niverina tany Jerosalema ny zanak’israely rehefa avy babo tany Babylona. Tanàna rava anefa no novantanina. Misy lanjany ny tanànan’ny Jerosalema. (Salamo 122). : mitondra FIADANANA, FANAMBINANA.
Raha nikasa hanangana izany anefa ny Jiosy dia fandrabirabiana sy fanakiviana no nasehon’ny olona azy ireo. Teo anatrehan’izay no nankaherezan’Andriamanitra azy ireo mba hahatoky sy hijoro amin’ny finoana.


Nazavain’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickael nandritra ny fotoam-pivavahana ny Alahady 16 aogositra 2020 ny fanantenana ho an’izay mahatoky hatramin’ny fahafatesana.


1/ Hahafahanao mahatohitra ny fahakiviana ny finoana.
Mafy ny fanakiviana sy fandrabirabiana atan’izao tontolo izao ho anao izay anaiky hiasa ho an’Andriamanitra. Raha ny voalaza ato amin’ny bokin’i Nehemia dia nolazaina fa osa, tsy misy lanjany mihintsy ireo manao ny asa. Ny Finoana no LAKILE teo am-pelatanan’i Nehemia. Ny tenin’Andriamanitra no nampiteraka fanantenana ka nahafahany nahatohitra ny fanakiviana ataon’ny manodidina.
Omeo lanja ny tenin’Andriamanitra fa io no hampijoro hatrany eo anatrehan’ny fanakiviana.


2/ Ampiasao ny VAVAKA ho HERY fanoherana.
Ento sy tantarao amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka ny enta-mavesatrao. Manàna fiainam-bavaka sy fifandraisana lalina amin’ny Tompo. Hiaino anao ny Tompo ary omeny Hery ianao. Tsy anjaranao ny mamaly ny mpanakivy fa omen’ny Tompo hery ianao hanoherana izany.


3/ Tanteraho ny tsy tapaka asan’Andriamanitra. Miasà foana anantin’ny fifankatiavana eo amin’ny samy mpino.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email