FJKM KATEDRALY ANALAKELY

MIKENDRY INONA NY FINOANAO ?

Genesisy 42, 18-21 – Alahady 13 septambra 2020
Ny tantaran’i Josefa, ilay namidin’ny rahalahiny no nangalan’ny Mpitandrina RANDRIANARISOA Joharivony ny fampianarana ny Alahady 13 septambra 2020. Nahazo toerana ambony tao amin’ny fitondram-panjakana tao Egypta izy. Nandalo mosary mafy anefa maneran-tany ka izany no nampifanatona azy tamin’ireo rahalahiny.

Inona no fisehon’ny asan’Andriamanitra izay niainan’’i Josefa ?
1-Miasa ka mikendry fahavelomana ho an’ny hafa.
Tsy nanan-tsaina ny namaly faty i Josefa rehefa nahita ireo rahalahiny nitady vary fa nolazainy tamin’izy ireo izay tokony hataony ka tsy hahafaty azy ireo. Ny hahavelona azy ireo no tanjon’i Josefa : mizotra amin’ny fahamarinana, manana toetra miantra ary mankato ny tenin’Andriamanitra.
Isika fiangonana dia tokony hanahaka an’i Josefa eo @ sehatra rehetra , mitory fahavelomana fa izany no tena toetran’Andriamanitra , miantra ny mila vonjy na izay heverina fa nahavita zava-doza tamintsika aza.


2-Miasa mba hiverenan’ny hafa amin’Andriamanita ka hibebaka izy.
ny Filazantsara voaraintsika Dia mitaona antsika hiaiky ny tsy fahatanterahana sy ny fahotana vitantsika. Io Filazantsara io no anirahana antsika hitoriana amin’ny hafa ka ny tanjona ia ny hampibebaka ireo izay mbola any ivelan’ny vala
Ireo asa rehetra ireo Dia atao amin’ny fahatahorana an’Atra , izay efa nambaran’i Jesoa ihany koa amin’ ilay fanoharana tao amin’ny Matio 21, ary mbola namafisin’i Paoly tao amin’ny Filipiana hoe : Miasa amin’ny tahotra sy ny hovitra
Fanaovana sy fanarahana ny marina no maha velona : Jesoa Kristy no Fahamarinana mitondra fahavelomana Mandrakizay

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email