FJKM KATEDRALY ANALAKELY

MIOVA IANAO REHEFA MIHAONA AMIN’I JESOA – Jaona 4

Ny resak’i Jesoa Kristy sy ilay vehivavy samaritana no nangalan’i Mpitandrina RAVELOSOA Mickael ny fampianarana nandritra ny fotoam-pivavahana isan-tokantrano ny Alahady 19 jolay 2020. Vehivavy ratsy endrika teo imason’ny fiarahamonina ilay vehivavy samaritana satria dia mpaka vadin’olona.

Noho izany dia mitsoaka ny fiarahamonina izy ka ny atoandro no mandeha mantsaka. Teo indrindra no nihaonany tamin’i Jesoa kristy ka nandraisany ny filazantsaran’ny famonjena. Nanova io vehivavy io ny fihaonany tamin’i Jesoa.


1/Manova ny fifandraisana amin’ny olona ny fihaonana amin’i Jesoa.
Nolazain’i Jesoa eo amin’ny andininy faha 16-17 ny fahotana nataon’ity vehivavy ity. Nanaratsy ny fifandraisany tamin’ny mpiaramonina izany. Rehefa notarihin’ny Fanahy anefa izy dia resy lahatra ka nahita ny lalam-pamonjena. And 25 « Fantatro fa avy ny Mesia ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra ».
Nanova io vehivavy io ny tenin’i Jesoa ka sahy izy niantso ny mpiaramonina hanatona an’i Jesoa ihany koa mba handray ny famonjena. Na dia mbola ilay vehivavy ratsy endrika no nahafantaran’ny olona azy dia nanova ny fijerin’ilay vehivavy ny hafa izany. Nirohotra ny olona nandeha teny am-pantsakana hiaino an’i Jesoa ihany koa.
And 28-31 « dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ka nanao tamin’ny olona hoe : andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroa, izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra ; izao angaha no Kristy ? dia nivoaka ny olona ka nankeo amin’i Jesoa »


2/Miova ny fijerin’ny olona anao rehefa nihaona tamin’i jesoa.
Rehefa notantarain’ilay vehivavy tamin’ny olona tao an-tanàna ny fihaonany tamin’i Jesoa dia naharesy lahatra ireo olona tao an-tanàna ny antsony hanatona an’i Jesoa satria olom-baovao izy. Niova ny fijerin’ny olona azy. Ny Fanahin’Andriamanitra izay nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty no nitoetra tao anatiny. (Romana 8, 11)


3/Lasa mpitory ny Filazantsara izay mihaona amin’i Jesoa.
Ny mpianatra lasa nandeha nitady izay hoanina, Jesoa kosa dia nanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hitory ny Filazantsara. Ireo olona izay nitaomin’ilay vehivavy samaritana sy nitoriany no nandray izany. Avy hatrany dia nisy ny vokatra ka maro ny samaritana niova fo (And 39), ary nanambara ny finoany fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao (And 42).

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email