FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Ny atao hoe manompo an’Andriamanitra

Alahady 31 janoary 2021 – Litorjia amin’ny endriny faha-efatra – Alahadin’ny FI.MPI.Z/K.A

Ry hava-malala rehetra ao amin’ny Tompo, dia mbola hampitomboina aminareo mandrakariva hatrany anie ny fahalalana tsara ny momba an’Andriamanintsika, Amen.

Zavatra iray no ambara aminareo eto am-panombohana dia ny atao hoe manompo an’Andriamanitra. Roa no ao ambadik’izany atao hoe manompo an’Andriamanitra izany araka ny fijerin’ny mpandinika.

Ny atao hoe manompo an’Andriamanitra dia :

  1. Manao izay hampanaovin’Andriamanitra
  2. Ianao no manao hetsika hahatsapan’Andriamanitra fa tia Azy ianao

Ny litorjia faha-efatra dia ao amin’ilay famaritana faharoa. Isika Fiangonana no manao hetsika hanehoantsika ny fitiavantsika an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny zava-maneno sy ny hira fiderana.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email