FJKM KATEDRALY ANALAKELY

NY FINOANA MAHASEDRA OLANA

Joba 2, 1-10 – Marka 10, 32-34 – Asa 21, 10-14. Alahady 30 aogositra 2020


Indray nakana ny lesona ireo andinin-soratra masina telo ireo, entina manazava ny hatanjaky ny finoana manoloana ny olana. Toriteny nentin’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickael ny Alahady 30 aogositra 2020 lasa teo.

1/ Mahasedra olana ny Finoana
Lehilahy tsy nahitana tsiny teo amin’ny fiainany i Joba kanefa dia nosedrain’ny olana goavana :
– Potika ny asa fihariany
– Potika ny fitaovana fivezivezena (boriky)
– Potika ny fitaovana fitanterana entana (rameva)
– Very ny tahiry (ondry)
– Maty ny zanaka nateraka
Raha ny maha-olombelona dia rava tanteraka ny fiainana, ny natsangana hatramin’izay. Nirehareha anefa Andriamanitra fa tsy potika niaraka tamin’izay ny Finoan’i Joba fa mahasedra olana.


Nanamarika ny fitoriana filazantsara ny dia vitan’i Paoly. Terem-panahy izy ho any Jerosalema kanefa rehefa teny an-dàlana dia nampitahorina sy nampitandremana mafy fa handalo fahoriana izy any. Marina tokoa fa dia nisedra ny fanenjehina mafy i Paoly rehefa tao Jerosalema. Tsy nihemotra anefa izy fa sahy niatrika satria efa voasedra ny Finoany.


Famonjena niafara teo amin’ny famonoana teo amin’ny hazo fijaliana no vitan’i Jesoa Kristy. Niharitra Izy ka niafara tamin’ny fahafatesana. Notanterahiny ny sitrapon’ny Rainy.

Ny finoana dia mampatanjaka ny toe-tsaina sy ny fiainam-panahy rehefa hiatrika olana. Mahasedra olana ny Finoana mafy orina fa tsy mamaha olana. Ny finoana matanjaka no mampitsonika ny olana. Ny olana eo foana fa ianao no miha-matanjaka miatrika izany.

2/ Hialao ny mpamendrofendro ny Finoanao
Eo anatrehan’ny adim-panahy sy adim-piainana dia misy foana ny olona izay mamendrofendro ny finoanao, ka mitarika anao hiemotra amin’ny finoana.
Raha ny an’i Joba manokana dia ny fianakaviana akaiky no fitaovana ampiasain’ny satana ka namporisika azy hiemotra amin’Andriamanitra.
Ny manodidina azy kosa no nampitahotra an’i Paoly tsy handeha ho any Jerosalema. Kanefa dia tsy nihemotra izy fa namita ny irak’Andriamanitra.
I Petera kosa no ilay namendrofendro an’i Jesoa Kristy (Matio 16,23)
Rehefa mijoro sy mafy orina ny finoanao dia hitady irika i satana handavoana anao. Mijoroa amin’ny finoana mahasedra olana ary tanteraho ny sitrapon’Andriamanitra.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email