FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Ny fomba fiatrehina olana, araka ny fampianaran’i Paoly

Asa 20, 17-24/Fanompoam-pivavahana isan-tokantrano Alahady 2 aogositra 2020

Ny Asa Fitoriana ny Filazantsara no hafatra napetraky ny Tompo tamin’ny mpianany, izay mbola tohizan’ny fiangonana mandrak’ankehitriny. Efa nampiomana anefa Izy fa ho sarotra ny asa, ka izay fomba fiatrehina ny olana izay no ampianaran’i Paoly. Io no toriteny nandritra ny fotoam-bavaka isan-tokatrano ny Alahady 02 aogositra 2020.

Mizara roa ny fomba fiatrehana ny olana eo amin’ny asan’Andriamanitra :

1/Manana finoana sy fanantenana matanjaka

Raha olona marefo finoana dia manana safidy telo eo anatrehan’ny olana : nitsoaka, naniraka olon-kafa, nivily làlana.

Notezain’ny Soratra Masina anefa i Paoly ka NIOVA ny fomba fijeriny : nanana FAHASAHIANA HIATRIKA OLANA satria nahatoky y herin’Andriamanitra.

Rom 14, 8 « Fa raha velona isika, dia velona ho an’ ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an’ ny Tompo; koa amin’ izany, na velona na maty isika, dia an’ ny Tompo ihany »

Tsapan’i Paoly fa Andriamanitra velona no ao aminy, ary manana FIADANAM-PO izy noho izany.

2/Hatreho amin’ny Fitiavana ny olana.

Na mafy tahak’inona ny olana hatrehina dia tontosay ny asan’Andriamanitra. Tanteraho ny asa Fitoriana ny Filasantsara izay miorina amin’ny famonjen’i Jesoa Kristy. Mitaky FANETREN-TENA goavana anefa izany satria manaiky ny hohitsahin’ny tany, tsy miahy ny tena satria efa resy lahatra fa Andriamanitra no miahy anao.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email