FJKM KATEDRALY ANALAKELY

NY OLONA MANANA NY FANAHIN’ANDRIAMANITRA

Toriteny Alahady 09 May 2021 – Genesisy 41, 37-46

1/ Nofidina hiaro ny vahoaka amin’ny loza satria manana ny Fanahin’ny fahendrena sy fahalalan-tsaina

Josefa irery ihany no afaka namantatra ka nanazava ny nofin’i Farao, niaro ny vahoaka tamin’ny loza nandalo ny firenena Egyptiana. Isika izay manana ny Fanahin’Andriamanitra dia afaka miaro ny fiaraha-monina misy antsika, eny hatramin’ny firenena. Henoy sy hankatoavy ny feon’ny Fanahin’Andriamanitra.

2/ Nankatoavin’ny fiaraha-monina satria marina sy azo antoka

Eny fa ny i Farao aza dia nanaiky ny tenin’i Josefa satria marina sy azo antoka. Manankery amin’ny vahoaka ny nolazainy ka lasa eken-teny izy. Isika rehetra izay hitoeran’ny Fanahin’Andriamanitra dia omen’Andriamanitra ny fahefana avy Aminy ka henoin’ny olona teny.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email