FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Ny olona matahotra an’Andriamanitra

Toriteny Alahady faha-07 martsa 2021 – Gen 22 : 11-19

Vanim-potoanan’ny karemy, natao indrindra ho fandinihan-tena. Handinihana ihany koa ny fizahan-toetra raha ny lohahevitra ao amin’ny perikopa FJKM.

“aza maninjitra ny tànanao amin’ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao ; fa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao dia ny lahitokanao.” Gen 22 : 12

Manao ahoana ny olona matahotra an’Andriamanitra ?

1. Mahatsapa fa mahita azy Andriamanitra

Ny olona matahotra an’Andriamanitra dia mahatsapa fa mahita sy mijery azy mandrakariva Andriamanitra, na dia ao anatin’ny sarotra indrindra aza. Ny tena mibahana izany dia ilay tahotra fa tsy ho tanteraka ilay sitrapon’Andriamanitra. Manala ny ahiahy ny hahafantarana fa mijery sy mahita ny fiainanao Andriamanitra, fahatokisana aminy tanteraka no andrasana aminao. Fampaherezana ho anao isan’andro koa io fahatsapanao ny fanatrehan’Andriamanitra io.

2. Mahatsapa ny asan’Andriamanitra tamin’ny tenany

Ny olona matahotra an’Andriamanitra dia mahatsapa ny asan’Andriamanitra amin’ny tenany ka mibaiko ny fomba fisainany. Ny fahafantaranao ny fiasan’Andriamanitra aminao dia miteraka fahatoniana ho anao : tsy miherikerika, tsy mitaintaina, tsy miady saina na miroroa saina, fa tena manaiky tanteraka ny fiasan’Andriamanitra. Raha mandalo olana ianao dia fisedrana sy fizahan-toetra no hitanao ary fahatokiana no tadiavin’Andriamanitra aminao.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email