FJKM KATEDRALY ANALAKELY

NY TENA IRAKY NY TOMPO

Toriteny Alahady 02 May 2021 – 2 Korintiana 3 : 1-6

1. Tsy midera-tena na manandran-tena, mahalala tsara fa an’Andriamanitra ny zavatra rehetra.

Ny Tompo no maniraka ka manatanteraka izay ampanirahany. Tsy mirehareha fa manao izay hampisandratra ny voninahitry ny Tompo, manao izay handrisan’ny olona an’i Jesoa Kristy ka haneken’izy ireo ny hanaradia Azy.

2. Tsy mihambo tena fa manaiky ny herin’ny Fanahy Masina.

Tsy mahefa na inona na inona ny iraky ny Tompo fa miandry tarihin’ny Fanahy Masina. Ny heriny irery ihany no hanendry ny teny avoaka. Mampivoaka mpandresy ny fiankinana amin’ny herin’ny Fanahy Masina. Mahatokia ny fiasàn’ny herin’ny Fanahy Masina.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email